Fitondràna Rajoelina – Mitohy ny ramatahora ataony ny mpanohitra hatreny Faravohitra

Helisoa

Misasaka ankehitriny ny fotoampiasan’ny filoha napetraky ny HCC sy ny CENI Andry Rajoelina. Nanantena ery ny vahoaka Malagasy nifidy azy, fa ho lasa paradisa i Madagasikara, satria voababo tamin’ny lainga tsara lahatra mampandry andrisa. Ho an’ny vahoaka Malagasy tsy nifidy azy marobe kosa moa dia efa nahafantatra mialoha fa olona tsy azo fidiana ho filoha izany Andry Rajoelina izany , izay namafisin’ny depiote Fidèle Razara Pierre tamin’ny fotoan’androny rehefa nanohana ny filoha Marc Ravalomanana izy . Nefa na izany aza dia mba nieritreritra ihany ny sasany izay tsy nifidy azy fa mba hiezaka Andry Rajoelina hanonitra ny fahapotehan’ny firenena fony izy nitondra ny tetezamita nandritra ny 5 taona be izao, ka mba hanao zavatra tsara hampandrosoana ny firenena. Kanjo, inona no teo? diso fanantenana ireo olona nifidy azy, tapi-dalan-kaleha ohatra ny sokina nanani-bato ireto farany, ka latsa-nenina tanteraka.

Ohatra fotsiny amin’izany ny nitenenan’ny kandida Andry Rajoelina tamin’ny fotoan’androny, fa tsy haka ny tanin’ny Malagasy ny tenany na iray metatra aza. Amin’izao fotoana izao, inona no miseho? mikaikaika daholo ny mponina fa lasan’ny mpanambola ny tany efa nipetrahana nandritra ny taona maro dia arodana ny tranon’ny vahoaka madinika. Izahay anie prezidà mba nifidy anao, nefa dia ataonao toy izao? izany no feo heno etsy sy eroa amin’izao fitondràna Andry Rajoelina izao.

Ankoatra izay, ny lafiny sosialy izay ain-dehiben’ny vahoaka Malagasy dia tena atao tsinontsinona ankehitriny. Firifiry moa ireo mpiasa no tsy mandray karama ankehitriny toy ny mpandraharaha eny amin’ny Oniversite sns…? firifiry ireo very asa? firifiry ireo ankizy tsy miditra an-tsekoly? firifiry ireo fianakaviana mitsabo marary tsy manambola, ka lasa any amin’ny varo tsy mifody ny havany? aiza ilay fampanantenana fa hijery sy hanao ambony ny resaka sosialimbahoaka? Ny asa mivaingana ataon’ny mpitondra ankehitriny napetraky ny HCC sy ny CENI Andry Rajoelina dia ny fanenjehana ny mpanohitra, indrindra ny lehiben’ny RMDM ny filoha Marc Ravalomanana.

Vao omaly ny omaly, nandefasana mpitandro filaminana indray ny trano fonenan’ny filohan’ny mpanohitra Marc Ravalomanana. Izay mivoaka sy miditra rehetra dia savaina sy hametrahana fanontaniana avokoa. Rehefa mandeha mivoaka ny trano indray ity farany dia tsy maintsy misy mpitandro filaminana mihaodihaody amin’izay alehany rehetra. Ny fanenjehana atao amin’ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny lafiny rehetra amin’ny onjampeo maro samihafan’ny mpitondra sy ireo tambazotran-tserasera dia sakafo ho hanina isan’andro.

Ny filohampirenena amin’ny kabary isaky ny tapabolana resaka valan’aretina CORONAVIRUS amin’ny onjampeo maro samy hafa dia tsy maintsy misy teny miantefa amin’ny mpanohitra hatrany. Hany ka lasa saina ny olompirenena fa ny fanenjehana ny mpanohitra ve no zavadehibe amin’ny mpitondra fanjakàna sa ny tena fijerena ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka ankehitriny izay latsaka ao anaty fahantrana tanteraka e? Efa misasaka ny fotoampiasan’ny filoha Andry Rajoelina araka ny voalaza tetsy ambony, kivy ny vahoaka fa tsy misy antenaina aminy intsony satria na ireo olona niaradia taminy aza dia efa manenina tongotra amantanana avokoa .