EDITO 5 Jona – Olana eny amin’ny Fampianarana ambony – Mampiharihary indray ny tsy fahaizan’ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Na miverina misokatra aza ny toeram-pampianarana ambony, dia tsy mbola milamina ny raharaha eny amin’ny Oniversitem-panjakana.

Niseho lany tato ho ato ny hetsika fitokonana sy fitakiana ataon’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny rehetra, tsy eny Ankatso ihany, fa hatrany amin’ny faritra samihafa. Ireo karama sy tambin-karama tsy voaloan’ny fanjakana azy ireo no takiany, ary eo ihany koa ny amin’ny fandraisana ho mpiasa raikitra ireo ECD efa niasa aman-taonany maro. Mazava loatra, fa misy fiantraikany eo amin’ny fampianarana ny mpianatra izay manomboka hiverina hianatra indray izany.

Iaraha-mahalala anefa fa nihitsoka ny fandrantoan’izy ireo fianarana hatramin’ny taon-dasa nidiran’ny valanaretina sy niainan’ny firenena tao anaty krizy ara-pahasalamana, ka mandraka ankehitriny. Misy mpianatra efa tany amin’ny taona 2018 no taona voalohany ary hatramin’izao mbola ao amin’io taona io ihany, vokatry ny fahatapatahan’ny fianarana sy ny tsy firosoana mankany amin’ny fidirana. Misy akony ratsy eo amin’ny haavo lentam-pahaizan’ny mpianatra amin’ny ankapobeny izany, ary tsy ny eny amin’ny Oniversitem-panjakana ihany no iharan’izany, fa hatrany amin’ireo tsy miankina ihany koa, izay samy miara-voadona vokatry ny krizy ara-pahasalamana izay.

Tsy ny mpianatra irery no iantraikan’ny olana, na ny mpandraharaha, fa eo ihany koa ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo eto amin’ny firenena. Misy fahabangana lehibe eo amin’izy ireo, noho ny fahafatesan’ireo Profesora mpikambana hatrany amin’ny 40 tao aminy, izay lavon’ny valanaretina. Voalaza fa sarotra ny manolo azy ireo, satria eo ny traikefa be ananany, fa eo ihany koa ny taona marobe tsy maintsy diavin’ireo izay handimby vao tonga amin’ny toerana misy azy ireo. Manakorontana ny fampianarana ihany koa izany. Mpampianatra iray na roa aza no tsy eo efa misy fiantraikany amin’ny fadaminana na ny fandaharam-potoana fampianarana mainka fa tena banga be toy izany.

Miharihary fa mandalo olana ny eny amin’ny Anjerimanontolo eo amin’ny seha-pampianarana amin’izao fotoana izao. Ny vahaolana avy amin’ny fitondrana amin’izany efa voavinavina avy hatrany fa tsy maintsy hiandriandry fotoana tsy voafaritra mazava no sady tsy ho tomombana tanteraka, raha izay efa fahita hatramin’izay. Milaza ho mitsinjo sy miezaka mafy ny momba ny fampianarana ny filohan’ny Repoblika, raha ny nambarany vao tsy ela izay, kanefa ireny lasa resaka fotsiny ihany iaraha-mahalala.