Beari Nirina Marcellin – Tsy azo omena zom-pirenena Malagasy izany ny vahiny

Ny Valosoa

Nanaitra ny fanazavana nentin’Andriamatoa Beari Nirina Marcellin, izay tsy nisalasala namaky bantsilana ny fomba fiasan’ny fitondrana Rajoelina. Nantitranteriny fa tsy kilalaon-jaza ny fitondrana firenena, fa ilana olona niomana amin’ny lafinjavatra rehetra, izay no hitsarana fa tena havanana ny mpitondra ary mahasahy miatrika fitantanam-pirenena.
Noho izany dia mila olona manana fanapahankevitra hentitra sady tsy olona tia andrakandrana, f’efa manana traikefa ny firenena, hoy izy. Maro ireo lalàna izay dikain’ ny fitondrana Rajoelina hoy Beari Nirina toy ny “Laïcité de l’état”, na fametrahana ny fitondrana tsy hiankina amin’ny finoana ary ny lalàna misy eto Madagasikara dia nadika be fahatany tamin’ny lalàna frantsay, izay hita fa tsy mety amintsika malagasy ka tokony hovaina.

Ity fitondrana ity dia tsy mahazaka demokrasia kanefa izany no notabatabaina ny taona 2009, satria na ilay nambara ho kianjan’ny demokrasia aza dia novaina ho “jardin botanique “ ary tsy tahotra tsy henatra ny mpitondra, fa sahy managadra tsotra izao ireo izay tsy mitovy hevitra, hoy hatrany i Beari Nirina .

Mahakasika indindra ny fanomezana ny zom-pirenena ho an’ireo vahiny dia tsara ho fantatry ny malagasy ny mikasika ireo karana ireo, sy ny toetrany araka ny nambaran’i Beari Nirina, satria eo amin’ny lafiny fivavahana dia misy ny fanavakavahana ataon’ireo karana, kanefa dia samy silamo izao ihany. Nambaran’i Beari Nirina f’ireo karana dia tsy miditra amin’ny Moske idiran’ny kaomoriana.

Mampalahelo ihany koa hoy i Beari Nirina ny mahazo ireo malagasy izay miasa amin’ireny karana ireny rehefa tonga ny fandraisam-bola, satria vola miampy ozona tsy ampanjary ny fiainany no omeny.

Ny ao amin’ny fitsarana indray ny fitopolo hatramin’ny valopolo isanjaton’ny raharaha ao dia ady tany, mbola ireo karana ihany no miady amin’ny malagasy ary ireo vahiny hatrany no mahazo ny rariny.

Tsara ho fantatry ny vahoaka malagasy ihany koa fa raha azony io zom-pirenena io dia tsy maintsy handray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena izy ary ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany, sy ny fanajariana ny tany, no hihazakazahany voalohany.

Noho ireo antony voalaza teo ireo dia tena loza ho an’ny malagasy ny fanomezana an’ireo karana ny zom-pirenena malagasy, koa antso no atao amin’ireo solombavambahoaka hoy Beari Nirina Marcellin: Ry solombavambahoaka aza hamidy ny hoavin’ny taranaka.

Fa ankoatran’izay voalazan’i Beari Nirina izay dia voaporofo fa manjaka eto Madagasikara ny fampihorohoroana, porofon’izany dia ireny niaraha-naheno ireny ny didimpitsarana mikasika ny raharaha nahafaty ilay teratany karana Danil Radjan, satria nohafahana noho ny fisalasalana ireo olona voatana momba io raharaha io ary nanambara ny fitsarana, fa tsy ampy hanamelohana ireo voampanga ny sary azo tamin’ny “camera”. Mazava izany fa na ny fitsarana aza dia miala maina, satria nisy ny fatiolona kanefa tsy nisy ny olo-meloka, nandritra ny fanadihadiana anefa dia efa nisy sombim-baovao nivoaka fa raharahan’izy samy karana no nahafaty an’i Danil Radjan, saingy dia notsotsorina tamin’ny afaka hoe nohafahana noho ny fisalasalana. Mampihorohoro ny didimpitsarana toy izany satria, ny manambola toa an’i Danil Radjan aza matimaty foana, sy niala maina teny amin’ny fitsarana, mainka fa ny malagasy kely sahirana ve hahazo rariny raha miakatra fitsarana.
Io raharaha io ihany koa dia manaporofo, fa efa an’ireo karana ny tanàna satria efa sahy mifamono eto amin’ny tanintsika izy samy izy.

Raha fehezina dia samy ilana fandinihana lalina ny nambaran’i Beari Nirina, sy ny didimpitsarana mikasika ny fahafatesan’i Danil Radjan, satria samy mampiseho ny fahalementsika malagasy manoloana ny setrasetran’ny vahiny manambola.