MBOLA HEVERINA HO VOAFONJA ?

Baiko avy amin’iza indray ity ilay baiko sadasada,
Hisavana ireo rehetra te hanatona an’i Dada?
F’efa tsy mahita atao ve ianareo mpitondra ireo?
Na ny mpitandro filaminana aza ve tsy efa leo?

Inona no tena tanjona amin-javatra toy izao,
Fa zavatra tsy dia fahita sady tena tsy fanao.
‘Lay fahafahana mihitsy ve no tiana hofoanana
Sa mbola heverina ho voafonja ny filoha Ravalomanana?

Fa na maraina na ny hariva, feno azy i Faravohitra,
Ka ny andraikiny dia tokana: hitsikilo ireo mpanohitra.
Izay dahalo dia inoany fa tsy hanongam-panjakana
Fa Ravalo sy ny ekipany, ireo no ilaina horavana.

Ny dahalo no manjaka eny ambanivohitra eny,
Saingy aiza ny mpitondra no mangina tsy miteny?
Ny polisy sy zandary, atoby aty an-drenivohitra,
Sa ny asany dia tokana: ny hihaza ny mpanohitra?

Dia miteraka inona ary ity misavasava olona,
Sa heverina f’izany no hampihemotra ny tolona?
Sanatria f’izay ilay fihetsika ‘zay ambara ho diso toerana,
Ka vao mainka mampitroatra, mampitombo ny hatezerana!

DADAN’i RIANA (04-06-21)