Andro eran-tany momba ny tontolo iainana – Hanomanana ady hevitra amin’ny tambazotran-tserasera sosialy ny RJDDM

Aly

Hankalazaina ny sabotsy 5 jona ho avy izao ny andro eran-tany amin’ny tontolo iainana, na ny JME. Ho fanamarihana izany, ny RJDDM, na ny Tambazotran’ny Tanora ho amin’ny Fampandrosoana Maharitra eto Madagasikara dia manomana ady hevitra amin’ny tambazotran-tserasera sosialy, na webinaire, ny sabotsy 5 jona 2021 ho avy izao io, amin’ny 10 ora maraina (GMT + 3), izany hoe oran’i Madagasikara. Ny loha-hevitr’izany ady hevitra momba ny fiarovana ny tontolo iainana izany dia ny hoe: “La préservation de l’environnement et la justice climatique, selon la perspective des jeunes Malagasy », na : « ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny rariny eo amin’ny toetr’andro ary ny fahitan’ny tanora Malagasy azy amin’ny ho avy ».

Azon’ny be sy ny maro harahina izany amin’ny: https://bit.ly/3c8qmvw, ary mivantana koa amin’ny https://web.facebook.com/RJDDMadagascar.

Fikambanana maro misehatra eo amin’ny sehatry ny firovana ny tontolo iainana ihany koa no handray anjara amin’izany ady hevitra izany, toy ny: Climates Madagascar, Fakotôry, Unis Vers Vintsy Tana, Green Up Madagascar, Madagascar Will Rise, Ny Tontoloko, Recycl’anay, Transparency International, Yes Tafita, Jay Ralitera, MJC (FFF MM- CFAE- YFR), Forum Malagasy pour la Justice Climatique, Dis-Moi Madagascar, ary ny Young Caritas Madagascar. Hanentana ny ady hevitra: Amina, Sarah ary Amira.

Ho vahiny manokana amin’izany fandaharana amin’ny tambazotran-tserasera sosialy izany, Pr Stephan Narison : Directeur de Recherche Emérite CNRS (Laboratoire Univers et Particules any Montpellier). Izy dia hiresaka mahakasika ny loha-hevitra : « fitrandrahana ny antsoina hoe terres rares manoloana ny rariny eo amin’ny sehatry ny toetr’andro », na : « session sur l’exploitation des terres rares vs la Justice Climatique ».