Tolo-dalàna momba ny mpanohitra – Lalàna vendrana nolanin’ireo senatera

Ny Valosoa

Tolo-dalàna momba ny mpanohitra novolavolain’ny depiote voafidy tany Ikongo faritra Vatovavy Fitovinany, Razafitsiandraofa Brunel, lany tao anivon’ny Antenimierandoholona izany ny herinandro lasa teo. Raha ny fahitana azy dia lalàna vendrana ity lalàna ity, tsy ny nanolotra azy akory no vendrana, satria depiote manana ny maha-izy azy izy satria Kaomisera amkin’ny Polisy, fa ilay fototr’ilay lalàna mihitsy no vendrana ho an’ny mpahay lalàna sy ny mpandinika politika.

Voalaza amin’izany tolo-dalàna nolanian’ireo senateran’i Madagasikara rehefa nasiam-panitsiana, fa tsy maintsy ho depiote no ho filohan’ny mpanohitra eto Madagasikara. Izany depiote izany, olom-boafidy, fa distrika iray no naha voafidy azy, ny tokony ho lehiben’ny mpanohitra eto amintsika anefa dia tokony ho mpanao politika tsy lany tamin’ny fifidianana ary tamin’ny sehatra nasionaly: tokony ho kandidà faha-2 tao aorian’ny filoha voafidy. Raha io lalàna vendrana vao nolaniana io arak’izany dia filohan’ny mpanohitra ao amin’ny Antenimiera ihany izy, fa tsy filohan’ny mpanohitra amin’ny ankapobeny tsy akory. Tsy mahagaga raha tsy hanolotra olona amin’izany toerana izany ny depiote TIM maro an’isa amin’ny fanoherana ao Tsimbazaza.

Ankoatra izany, voasoratra ao anatin’ny lalampanorenana io lalàna mahakasika ny fanoherana eto amintsika io, ny didy fampiharana sisa nandrasana nefa dia hosoloina ity lalàna vendrana ity. Any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) arak’izany ny baolina momba ity tolo-dalàna vao nolaniana ity, toa tsy hisy anefa ny fanantenana momba ny hitsipahan’ity andrimpanjakana ity izany tolo-dalàna izany, satria iaraha-mahalala fa olon’ny fitondrana sy voabaikony avokoa no ao Ambohidahy amin’izao fotoana.