1 Jona – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao mba ho hitan’ny maro : sanganehana ihany ny tena raha mahita itony fanambarana avy amin’ny Primatiora itony, izay milaza fa zavatra tena ilaina koa ny legioma sy anana isan-karazany.

Tsy fantatro na izaho no efa zatra miteny na ahoana, fa misy hevitra 03 tonga ato antsaina:

  • Voalohany; Iza no nibaiko ny polisy nandrava ny entan’ny mpivarotra anana sy legioma?
    Tsy voafehinareo ve izany ny polisy, ka nandray fanampahana samy irery?
  • Faharoa, rehefa tsy izany dia manipulation ataonareo io. Mametraka olana nareo dia mody manome vahaolana avy eo. Efa talentanareo rahateo koa moa izany, ka tsy mahagaga intsony.
  • Fahatelo, raha marina sy mitombina io fanambarana io, nahoana ianareo mpitandro ny filaminana no tsy mamaly izany!? Voalaza mantsy fa tsy nanome baiko anareo ny tompon’andraikitra, sa ve samy manao izay saim-patany izany ianareo mpitondra!?

Politika sy polifika no betsaka dia ny valalabe mandry no mijaly, koa aoka re!

Mbola tsy nanao fanadihadiana akory ianareo kanefa efa mahasahy milaza fa misy ambadika politika. Diniho tsara ihany izay resahana, fa efa misaina ny olona, ka tsy ho vorebirebinareo amin’ny hevi-dravina tahaka ireny!

Henintsoa Sitraka Rasitrakiniaina
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao, Antsirabe