EDITO 27 Mey – Fitondrana tsy mahafehy ny andraikiny

Sôh’son

Rediredy sisa raha mbola mihevitra sy miteny ho nahavita zavatra tsara nanasoavana ny vahoaka sy ny firenena ny fitondrana Rajoelina, miohatra amin’izay filoha nifandimby teo alohany. Roa taona sy tapany izao no nahateo amin’ny fitondrana azy, ary efa azo refesina tsara ny zava-bitany sy ny fahafahany sy ny fahaizany manao zavatra tao anatin’izay fotoana izay. Tsy misy ny azony ialàna bala tamin’izay vita sy nitranga. Izy no eo amin’ny fitondrana ary nisisika mafy nampiasa “hery” tamin’ny fomba samihafa mihitsy mba hahatongavany eo amin’ny fitondrana. Nampiaka-peo tamin’izany fa ho voavahany ny olana rehetra manjo ny vahoaka sy ny firenena. Anisan’ny iray tamin’izany ny fanakianany ny filoha teo alohany ho tsy nahavaha ny delestazy. Niseho mihitsy sy niedinedina izy tamin’ny fampielezan-kevitra, fa voafehiny io resaka famatsiana herin’aratra sy famatsiana jiro io. Ankehitriny anefa, iaraha-mahita sy miaina tsara, fa isan’andro vaky izao tsy maintsy misy delestazy, 27 volana nitondrana. Tsy mila fanazavana intsony izany, fa tsy mahafehy io sehatra io ny fitondrana Rajoelina, na nomena fe-potoana lava aza izay. Tsy mifankaiza amin’ny hafa ihany. Ratsy noho ny teo aloha aza ny tranga maro samihafa mitranga.

Tranga maro samihafa no tsy voafehy hatreto, izay midika ho tsy fahaiza-mitantana mihitsy ny firenena. Anisan’ireny ihany koa ny tsy fandriampahalemana izay nahabe resaka tokoa tato ho ato noho ny asan-dahalo nitranga tany amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo ny faran’ny herinandro lasa teo. Miharihary fa tsy vitan’ity fitondrana ity ny miaro ny vahoaka. Ety an-drenivohitra no miseho ho mahavita mitandro filaminana amin’ny fampisehoan-kery rehefa misy manao hetsika te-haneho hevitra momba ny raharaham-pirenena, fa any an-tany lavitra any amin’ny asan-dahalo toa volan-kankafotra ihany no mitranga, hoy ny maro. Nisehosehoana ery teny amin’ny kianjan’i Mahamasina ny fihetsiketsehana be tsy nisy toy izany nanehoana ireo fitaovam-piadiana, sy ny fahaizan’ny miaramila miady amin’ny asan-dahalo, raha tsy hilaza afa-tsy izany. Iaraha-mahita anefa ankehitriny ny toe-javatra mbola miseho, am-bava loza hatrany ny vahoaka. Azo hambara tsotra izao, fa diso lasibatra sy paik’ady ny fitondrana Rajoelina sy ny mpitandro filaminana mpiaro ny sezany.

Ny tena anisan’ny hain’ny fitondrana ankehitriny dia ny fisehoana ho manao asa ary hambara sy haseho any amin’ny fitetezam-paritra sy toerana samihafa izany. Ireny rehetra ireny anefa dia toy ny fampiasana fanafody parasetamôla hanasitranana aretina homamiadana ihany. Toy ny langilangy zozoro no entina hamantsihana fantsika rezatra amin’ny hazo matevina. Mazava loatra raha toa ka tsy misy fiovàny sy fihatsaràny mihitsy ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Vao mainka aza mafy ny ady andro aman’alina ho an’ny sarambabem-bahoaka sahirana ara-pivelomana sy misoka anaty fahantrana lalina. Amin’ny ankapobeny dia “zesta teknika” fotsiny sisa, araka ny fitenenana, no ataon’ny fitondrana, fa mandrorona ny fomba fiasany sy ny lazainy ho amin’ny asa fampandrosoana.