Fivoriana tany Paris – Voadakan’i Renimalala i Rajoelina

Ny Valosoa

Nanakoako ny fivoriana iraisampirenena nokarakarain’i Frantsa, nentina hanarenana ny toekaren’ireo firenena afrikanina noho ny krizy manerantany, nasetrin’ny valanaretina Covid-19. Filohampirenena afrikanina tsy latsaky ny 15 no nanatrika izany fivoriana izany tany Paris, ary firenena Eoropeana toa an’i Italie, Espagne, Portugal sy ny Vondrona Eoropeana no niatrika izany. Firenena maro hafa koa no nandray anjara avy lavitra tamin’ny alalan’ny fitaovan-tseratsera hary fomba na ny vidéoconférence. Voasolotena tamin’izany koa ireo fikambanana iraisampirenena toy ny FMI, ny Banky Iraisampirenena, ny OMC fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra. Saingy nanjavona teo anivon’ity fivoriambe ity i Madagasikara sy ny filoha Rajoelina.

Eto no miseho ampahibemaso fa tsy jamba ary tsy marenina i Frantsa, sy ireo tomponandraikitra eo amin’ny sehatra iraisampirenena eo anatrehan’ny nafitsok’i Andry Rajoelina nandritra izay roa taona sy tapany nitondrana an’i Madagasikara izay. Tsy hadino ny esonteny nataony mikasika ireo mpamatsy vola mahazatra, nilazany fa raha mbola miankina amin’ireo isika dia, na amin’ny 2030 na 2050 dia tsy handroso mihitsy. Teo koa ny fiheboheboany fa hitodika aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao, satria izy no hitondra ny fanefitra amin’ity valanaretina Covid-19 ity amin’ny alalan’ny CVO-ny, ary niavonavonany mihitsy izany vaksiny izany, fa mbola nampiany CVO+ àry. Ny fanampiana nomen’ireo mpamatsy vola nentina niatrehana ny valanaretina dia voahodinkodina ary tsy ahitàna mangaraharaha hatramin’izao. Ny tetikasa IEM notatatataina nandritra ny fampielezankevitra dia tsy niainga, ary ny anarana no andramana hovaina ho “Plan Marshall” na “PEM”, fa fampiesonana daholo. Ampiharina ny jadona amin’ny alalan’ny herimpamoretana sy ny fifehezana ny fitsaràna.

Maizina tanteraka ny fiainan’ny maro an’isa noho ny hafitsok’ity fitondrana Rajoelina ity, ary hita sy ren’izao tontolo izao izany. Amin’ny fomba mihaja sy mahery vaika no nanehoan’ireo izay tsy mankato an’izao fitondrana jiolahimboto izao, fa tsy mendrika ny handray anjara amin’izany fivoriambe iraisampirenena izany i Madagasikara, fivoriana izay nentina handinihina ny fomba fanampiana ny toekarenan’ireo firenena afrikanina izay misedra ny mafy amin’izao krizy izao. Tsy vitan’ny tsy mamy hoditra eo anivon’ny maro an’isa intsony i Andry Rajoelina, fa na dia i Renimalala aza izao dia mandaka azy ivelan’ny trano. Tsy misy azo antenaina intsony amin’ity fitondrana Rajoelina ity.