ILAY HOE “AKAIKIN’NY FITONDRANA”

‘Zahay dia “akaikin’ny fitondrana”,
Ka tsisy atahoranay ‘zay lalàna.
Ny deba no antsoina amin’ny finday
Dia milamina hatrany ny olanay.

‘Zahay dia “akaikin’ny fitondrana”
Ka tsisy tsy vitanay ny hadalana.
Na iza miketrika ny hitory,
Ny anay izao ny vola no “mpanamory”!

‘Zahay efa zatra ny “koposoroka”.
Fanaonay ny bizina be mavoroka.
‘Zay olo-mitetika ny hiampanga,
Dia alazanay amin’ny “lavasanga”!

Ny anay tsindry bokotra no mandeha
Ka dia sahy izahay ny mirehareha,
Fa ny fotsy dia azonay mbola ovàna
Ho ny volomboasarin’ny fitondrana.

Tsy misy ny zavatra atahorana.
Akama daholo ireo fozaorana.
Amparinay ny hery sy fahefana,
F’izay ilay “akaikin’ny fitondrana”.

Ireo olona mihevitra ny hitory,
Tsy hahita mangirana ireny akory,
Satria efa anay koa ny fitsarana,
F’izay ilay “akaikin’ny fitondrana”!

TSIMIMALO (18-05-21)