TENA TSY HIJORO VE ?

Nalahelo be ‘zahay fa hoe tsy ise indray no hikabary,
Nefa tamin’ny tapa-bolana, efa matroka ny sary,
Ka mba tianay raha ise no mbola hiverina hamafa
Sy hanatsara indray ilay sary fa tsy tokony ho olon-kafa!

Nanantena be ‘zahay fa mbola hisy fanonerana,
Ny amin’ny zava-tsy voavaly sy ny teny tsy am-piheverana.
Saingy raha izao angamba, tsy hijoro koa ry sipa,
Fa hiova be mihitsy ny filahatry ny ekipa!

Efa niandry ery ‘zahay hoe hiampy betsaka ny kobaka,
Ary hitohy ny laingalainga ka vao mainka hihabobaka.
Fa izay no tena hita ho manavanana an’ise,
Kinanjo, indrisy, indrisy mantsy fa dia tena ho desole!

Mialoha ilay kabary, mba nirinay k’aza tsiny,
Ny mba nijoroan’ise hisantatra ilay vakisiny.
Saingy tsy ho tontosa izany, ise koa toa misitritsitrika.
Efa vita tany ho any ve no toa tsy dia mavitrika!

Ao anatin’ny kabary koa no mba niandrasanay
Hoe : “Efa tonga fa tsy nofy ity ilay hoe tramway.
Hanampy izany mba ho feno, hiverina ny vatsy tohana,
Menaka sy vary mora hiatrehana ny fihibohana!”

Kinanjo, hoy aho, indrisy mantsy fa ise dia tsy ho tonga.
(Moa ilay isan-tapa-bolana lasa toa somongamonga?)
Sa dia mody arangaranga ny fifandimbiasan-toerana
Nony injay fa tsy nahovoka niatrika “ny fanoherana”?

TSIMIMALO (15-05-21)