Fepetra raisin’ny fitondrana – Efa misy vahoaka voa mafy hatrany vao misy fananamboarana atao

Sôh’son

Fitondrana tsy mahay miasa mihitsy ity fitondrana misy ankehitriny ity. Miseho mandrakariva izany indrindra rehefa nandray fepetra tao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao.

Efa niseho io toe-javatra io aloha, tamin’ny hetsika nataon’ny Miara-manonja, toy ilay nankeny Imerinkasinina nanao fitsangatsanganana. Niaraha-nahita ny fihetsiky ny mpitandro filaminana tamin’ny fisakanana ireo fiarabe natao hitondra ireo mpitsangatsangana. Teo ihany koa izay tena nanorisory ny hafa ny fanapahan-dalana, sy ny niteraka fitohanana lehibe nanodidina teny Tanjombato tamin’iny fotoana iny. Niseho indray taorian’izany ny zava-nitranga tamin’ny fotoana saika hanaovan’ireo depiote Tim tatitra teny Ambohijatovo. Hasorenana tsy nisy toy izany ny an’ny olom-pirenena maro tamin’ny fanapahana làlana tampotampoka tsy nisy fampiomanana mialoha ny fotoana, izay very fotoana no very fihariana sy vola noho ny tsy maintsy fihodinan’ny fiara taxibe nandehanana. Nahoana izany no tsy vita mialoha ny filazana kanefa efa andro maro no nilazan’ireo nikasa hanao taitra fa ho eny izy ireo no hanao izany?

Ny farany teo indray, vao andro maromaro lasa izay, raha hiditra amin’ny fihibohana indray, ka notapahina ny làlana hiditra eo afovoan-tanàna amin’ny araben’ny fahaleovantena sy ny Analakely iny. Fitohanana tsy nisy toy izany no nitranga, satria tsy nampiomanina mialoha ny vahoaka. Nahoana izany no tsy hay mialoha ny nanao filazana tamin’ny haino aman-jery? Voa mafy ny ankamaroan’ny olona nikasa handalo teny. Fatiantoka ho azy ireo izany.

Nisy koa fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana tamin’ny namaritana ireo toeram-pivarotana tsy mahazo misokatra ny andro sabotsy sy alahady. Tsy voalanjalanja anefa ny fampiharana nataon’ny mpitandro filaminana, hany ka nosamborina hatramin’ny mpivarotra saribao maro izay tena ilain’ny sarambaem-bahoaka teo amin’ny fiainany andavanandro. Voa mafy ny vahoaka, toy izay koa ireo mpivarotra. Efa ho herinandro aty aoriana vao mody mahatsapa ny tsy fetezan’ny fepetra noraisina ny préfet, nefa jeneraly, vao mody nilaza fa hiresaka amin’ireo mpampihàtra ny fepetra. Efa tara, efa nisy fahavoazan’ny vahoaka izany.

Santionany ihany ireo, fa tranga maro no ahitana izany. Dia toy izany hatrany ny fomba fitantanana ny firenena, efa misy fahavoazam-bahoaka vao mody manova sy manalefaka fepetra, fa tsy afaka handinika ny ho fiantraikan’izany mialoha. Efa tsy fotoanan’ny kitsapatsapa intsony izao.