IZA ARY AHO ?

Mandroso dia mandroso ny fandavaham-pasana,
Fa amiko io no maika k’aleo tsy ifampiandrasana.
Ny lalana, afa-miandry, hatao ny fanarenana,
F’izao ny maika aloha dia fasana handevenana!

Na dia mazava loatra fa hevitra poakaty,
Ny momba ity ilay hoe “firaisampon’ny maty”,
Dia ‘zay no foto-kevitro ka tiako mba haely,
Na iza hiteny izany ho ana boaikely.

Ny fanehoana hevitra mitory fanakianana,
Atsahatro tanteraka sy asiako fanakanana.
Fa ahy ny fahefana, izay tiako izao no atao.
Feheziko daholo ny fampitam-baovao.

Ny fanampena-maso, ny fanampenam-bava,
No marika f’izaho dia sefon’ny mpandrava.
Tsy vitan’ny mpitondra izay nifandimby izany.
Ny kinga ny amin’io dia ‘zaho irery ihany!

‘Zay hevitry ny maro, na inona firentiny,
Na mahataka-davitra, na inona ho ventiny,
Dia tsy ilaiko ireny na iza handiso izany,
Fa ahy ny fahefana ka dia ‘zay tiako ihany!

TSIMIMALO (28-04-21)