ATSANGANAY NY SAINA FOTSY

Atsanganay ny saina fotsy mba ho fantatra eran-tany,
Fa vahoaka resy an’ady ‘zany Malagasy izany.
Tena tsy afaka nanohitra ilay aretina mandoza,
Noho ‘reo hadisoana maro ataon’ny fitondrana foza!

Atsanganay ny saina fotsy mba ho fantatra eran-tany,
F’efa fandavaham-pasana no ketrehina any ho any.
‘Zay karazam-panafody na mba vatsy ho anay vahoaka
Dia tsy misy, nefa indrisy fa ny kibo efa hipoaka!

Atsanganay ny saina fotsy mba ho fantatra eran-tany,
Fa ho anay tanàna ambany dia efa maina ny vilany.
Tsisy intsony ianteherana, tsisy intsony mba hanohana,
Fa ny andro fivarotana lasa andro fihibohana!

Atsanganay ny saina fotsy mba ho fantatra eran-tany,
Fa mpitondra tsy mahomby ireo manohy ny hadalàny.
Ny vahoaka manontolo no efa maina sady refona,
Hany ka dia mandohalika ary dia milavo lefona.

Atsanganay ny saina fotsy, foana ny fanantenana.
Tsisy intsony mbola andrasana aminao Rafanjakana!
Ny hadedahanao no betsaka saingy ny hany mba voamarika:
Aotra, aotra hatrany hatrany no isa azonao mpitarika!

Atsanganay ny saina fotsy, rambony ilay Gasikara.
Tsy araka ny toky fitaka izay naely sy nambara.
Mason’olona eran-tany, indreo mijery sy mitazana
‘Reo mpitondra tsisy hafitsoka nefa dia miseho ho mazana!

DADAN’i ZINA (28-04-21)