MITOHY, MITOHY NY FANAMPENANA

Efa tena tsy mahomby f’efa mitsipozipozy,
Ity ilay fitondrana iombonan’ny voalavo sy totozy.
Telo taona monja ihany dia voaravany daholo,
Ireo izay tsara mba natsangan’ny mpitondra nifanolo!

Dia mitohy hatrany hatrany ireo karazam-panampenana.
Efa tonga hatrany an-doha, hipàka hatrany am-pitombenana!
Tampi-maso, tampim-bava, tampin-tsofina sy orona,
‘Zay no tetiky ny foza, dia ‘reo zatra ny “mitorona”.

Ireo rehetra izay najoro, ireo izay tsara mba natsangana,
‘Ndreo potehiny daholo sady ataony tsisy miangana.
Fa dia “kolontsaina foza” no manjaka sy mibahana,
Izay manoro lalan-tsara dia tsy omeny fahafahana!

Telo taona nijoroana, havanana amin’ny fampiandrasana,
Fa ny mba “firaisam-pony” dia ny hitodika amin’ny fasana!
Fasana no atao kabary, tanisaina sy antsoina.
Moa tsy efa fanozona ireo marary izay tsaboina?

DADAN’i ZINA (24-04-21)