Miseho hatrany ny DJ na Didy Jadona – Tapenam-bava ireo fandaharana miresaka politika

Stefa

Miseho hatrany ny DJ, na ny Didy Jadona eto amintsika amin’izao fotoana, tapenan’ny fitondrana vava indray izao ireo fandaharana miresaka politika amin’ny Radio sy Televiziona eto amintsika, araka ny fanapahana navoakan’ny ministry ny fitsarana, ny ministry ny atitany, ny ministry ny filaminam-bahoaka, ny ministry ny serasera ary ny sekreteram-panjakana amin’ny Zandarimariam-pirenena. Arak’ity fanapahana ity mahakasika ny hamehana ara-pahasalamana, tsy azo atao intsony ny fandaharana maromaro amin’ny haino aman-jery ary anisan’izany ny miara-manonja.

Nambaran’i Me Hanitra Razafimanantsoa omaly fa efa feno Emmoreg teny amin’ny studio ny MBS Anosipatrana omaly nandritra ny fotoana nanaovan’izy ireo fandaharana. Araka ny fanambaran’ireo ministra maromaro, ho fitandroana ny filaminana sy ny firaisam-pirenena hono, no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany.

Ireto avy ireo fandaharana voakasik’izany fampiatoana izany aloha mandritra ny fotoana voafetra: ny Aoka Hazava (Viva Radio), ny Anao ny Fitenenana (Free FM), ny Tambatra Miara-manonja Tena Izy (Viva Radio, Viva Tv, Free FM, Alliance FM, Taratra FM, Kolo Tv, Kolo FM), ny Miara-manonja (Mbs, Az, Soa Radio), Kapotandroka (IBC), Invité du Jour (Real Tv), ça me Dit (RTA), Don-dresaka (Tv-Plus), Rivotra (RDJ),…

Noho ity fanapaha-kevitra ity, nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Anosipatrana omaly tolakandro ny tompon’andraikitra amin’ireo fandaharana ireo, mitsipaka izao fanapahan-kevitra mamono ny demokrasia ataon’ny fitondrana Rajoelina izao. Fantatry ny maro fa ny fandaharana ahafahan’ny mpanohitra miteny sy mamotsipotsitra ny tsy mety eto amin’ny firenena no tena lasibatr’ity fanapahan-kevitry ny fitondrana ity, fa mody nampidirina tao fotsiny ireo haino aman-jery miara-dia amin’ny fitondrana.

Ho arahantsika eto ihany ny ho tohiny.