Fanapenam-bava ireo fandaharana politika – Mitady hanao izay tiany hatao indray ny fitondrana Rajoelina

Andry Tsiavalona

Voaporofo izao fa tena maranin-tsaina sy atidoha tokoa ny ao amin’ny fitondrana ao, rehefa miketrika teti-dratsy hoentina hanamparam-pahefana eo amin’ny fitantanana ny Firenena sy hanampenam-bava ny vahoaka iray manontolo tsy hanavahana : na politisiana na mpanao gazety na olompirenena tsotra. Tsy afaka maneho hevitra amin’ny alàlan’ireo fampielezam-peo na amin’ny alàlan’ny fahitalavitra intsony ny rehetra ankoatry ny ao amin’ny fitondrana amin’ny alàlan’ny fahitalavitra sy fampielezampeom-pirenena.

Efa nazava fa vao nametraka ny fihiboana tanteraka (confinement total) izao fitondrana izao dia nazava fa hanao izay tiany hatao indray, mpahay lalàna avokoa ireo minisitra namoaka ny fanapahankevitra, ka sarotra ny hino fa tsy mahalàla ny zo fototra ananan’ny olompirenena tsirairay haneho hevitra, indrindra amin’ny firenena midradradradra ho mandàla ny demokrasia toa an’i Madagasikara. Efa niainan’ny haino aman-jery ny fanagiazana (réquisition) azy ireo isan’andro isan’andro nandrira ny enim-bolana tamin’ny taona lasa. Niaina tao anatin’ny hamehna ara-pahasalamana (état d’urgence sanitaire) ny Firenena tamin’izany ary tsy nisy fanavahana ny haino aman-jery.

Amin’izao fotoana izao dia ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny Firenena amin’ny alalan’ny fihiboana tanteraka (confinement total) ny faran’ny herinandro no mihàtra ary nanaitra ny maro ity fanapahankevitra ity. Nolazaina fotsiny, mba tsy hahafahana milaza fa manao didikofehy lehibe sy mavakavaka ny mpitondra dia mody nolazaina, fa tsy lisitra feno no notanisaina fa mihàtra amin’ny haino aman-jery rehetra.

Ny tsapa dia ny anton’ny tena nampikoropaka izao fitondrana izao dia ny fitsikerana azy nanoloana ny fasahian’ity teratany karana mizaka ny zo maha olompirenena malagasy, nampiantso ny tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Primatiora ary ny minisitra eo anivon’ny fitondrana ary ireo masoivoho monina eto. Ny tena nanaitra dia ity mpandraharaha ity no nitarika ny fivoriana momba ny resaka vaksiny, izay andraikitry ny fitondrana tanteraka, kanefa dia nomeny olontsotra na vondrona tsy miankina. Toa midika fa ity olona ity dia manam-pahefana mitovy laharana amin’ny fitondrana. Nahatsiaro ho tena nanozongozona ny fiandrianam-pirenena mihitsy iny tranga iny dia miezaka ny mpitondra hanampim-bava ny haino aman-jery mba tsy ho afa-baraka tanteraka eo imason’ny vahoaka malagasy izao fitondrana izao. Ny tombatombana dia tsy te-hamoaka izay vola ambiny tamin’ny fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ny mpitondra dia ity karana ity no naroso eo aloha, ka izy no hamatsy vola amin’ny fanafarana vaksiny. Nanaitra ihany moa ny fanambaran’ny solotenan’ny OMS nanao hoe: “efa ela no niandrasana izao fanapahan-kevitra izao”. Tena fitenena ara-diplomatika tokoa izany kanefa manome henatra ny mpitondra izay mody miala-ilana hatrany satria tsy hanome fanampiana intsony ny mpiara-miombon’antoka dia mitady mpamatsy vola hafa indray, mba tsy hitakiana ny mangarahara tamin’ny fitantanana ny fanampiana ara-bola azo hatramin’izay.

Tena mitodika aty Madagasikara foana tokoa ny mason’izao tontolo, satria tsy mbola nisy toy izao maneran-tany. Tsy ho ela tokoa dia handray andraikitra ka hanao hetsika ny Malagasy tia Tanindrazana rehetra hampitodika tanteraka ny mason’izao tontolo izao aty Madagasikara.