Antsoantso sy tabataba nataon’ny olom-pirenena – Nanakoako eran’Antananarivo sy tany amin’ny faritra sasany

Helisoa

Nisy ny hetsika nataon’ny vahoaka ifotony omaly, izay nampisalorana ny anarana hoe “Antsoantso” ho an’ny mpitondra fanjakàna, izay minia mikimpy sy be marenina manoloana ny fahasahiranana mianjady eo amin’ny tokantrano tsirairay ankehitriny. Eo ihany koa ny firongatry ny valanaretina CORONAVIRUS, izay tsy misy vahaolana mazava, fa baiko midina no omena ny vahoaka amin’ny fepetra apetraka, nefa tsy misy mesure d’ accompagnement, na fitsinjovana ny be sy ny maro akory.

Nisy ny fitsofana anjomara, filaharan’ny fiara sy moto miaraka amin’ny kiririoka, fikapokapohana sarom-bilany, sy izay rehetra azo ampanenoana tamin’izany. Naneho firaisankina tamin’ireo vahoaka ny fikambanan’ny taxi, izay mahatsiaro tena ho sahirana vokatry ny fanapahan-kevitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra, fa tsy araka izay nampanantenainy fony nilatsaka ben’ny Tanàna i Naina Andriantsitohaina. Teo ihany koa ny vondron’ny mpanohitra RMDM, izay naneho firaisankina, ireo mpivarotra , ny sendika sns… izay voan’ny tsindry hazo lena ankehitriny.

Ny fotoana nanaovana ny hetsika moa dia tamin’ny 12 ora ka hatramin’ny 2 ora tolak’andro omaly. Marihina fa tao anatin’ny filaminana tanteraka no nanaovana ny hetsika, na nisy aza ireo mpitandro filaminana nanaraka teny rehetra teny. Nanambara ireo olom-pirenena tafaresaka tamin’ny gazety, fa hitohy ny hetsika ampilaminana hataon’izy ireo raha mbola be marenina tsy mihaino ny vahoaka ity fitondràna ity. Nanao izao hetsika antsoantso izao koa ny tany Mahajanga , Antsirabe, Toamasina , Ambatondrazaka,…