TONGA NY ORA!

Tonga ny ora sy fotoana
Ivelezana vilany,
F’efa noana, tena noana,
Izahay tanàna ambany.

Nefa tsy ‘zahay ihany
Fa ny maro eto amin’ny nosy,
No hively ny vilany
Sy hampaneno lakolosy!

Mbola ampianay horakoraka,
Kiririoka sy anjomara,
Mba hanaitra sy hampivoraka
‘Reo lohany eto Gasikara!

Tsy hirotaka izahay
Na sanatria hanaonao foana,
Fa haverinay indray
Hoe: noana, noana, tena noana!

… Aleo ny maika no hanombohana.
(Lasa ny andro sy ny volana!)
Alefao ny vatsy tohana,
Izay no tena vahaolana.

Rehefa voky ny vahoaka
Dia hilamina ny tany.
Hiato ny hiaka sy hoakoaka,
Tsisy hively ny vilany!

DADAN’i RIANA (22-04-21)