Mpivarotra sy mpanasa lamba – Hitabataba tsy hangina fa mafy loatra ny adim-piainana

Stefa

Araka ny fanadihadiana nataona fahitalavitra tsy mainkina iray, teny Ambohimanarina Boriboritany faha-6, tamina mpivarotra sy mpanasa lamba teny an-toerana, naneho ny fitarainany izy ireo, fa tsy zaka intsony ny adim-piainana amin’izao fotoana.

“Zahay hitabataba, hikapoka vilany, tsy hangina intsony fa tena mafy loatra ny fiainana, tsy izao zava-misy izao no nampanantenaina anay. Sakafo tsizarizary no haninay. Ny hariva ihany izahay no misakafo isanandro. Tsy zakanay intsony izao , ny vidim-bary efa tsy zakanay intsony. Hisintona lakilosy izahay, aiza ny mpitondra fanjakana , tsy izaho no nampanantenaina. Aza minia manampin-tsofina”, hoy ny fitarainan’ireo mpivarotra sy mpanasa lamba teny an-toerana.

Tsy mahavaha ny olana amin’ny ankapobeny misy eto amin’ny firenena ny fitondrana Rajoelina, ka tsy ho taitra intsony isika ato ho ato raha handeha isan’ambaratongany izao zavatra fanairana fampanenoana lakolosy izao, fa tena tsy zaka intsony tokoa ny olam-piainana maro samy hafa. Hanaitra ireo mpitondra ireo olona sahirana ireo, satria araka ny voalazany, efa tsy zaka intsony ny fiainana: zara raha mahita hohanina isan’andro, satria dia zara raha misy ny karama, kanefa dia miha-lafo isan’andro ny fiainana.

Mikasa ny hitabataba sy hively vilany izy ireo hanehoany izany fahasahiranana lalina izany.Aza manam-pitsofina hoy izy ireo ianareo mpitondra fanjakana, fa ny feon’ny ny vahoaka no feon’ Andriamanitra. Ny vahoaka tokoa no tompon’ny fahefana, fa ny mpitondra dia mpindrana io fahefana avy amin’ny vahoaka io ihany izy ireo.