EDITO 6 Aprily – Zanabahoaka – Mbola misy ny sakantsakana amin’ny fandrantoany fianarany

Radafy

Anisan’ny sehatra iray tsy hitan’ny fitondrana izay hamahana hatrany ifotony ny olana misy eo amin’ny seha-pampianarana. Na dia nampiasainy ny olona avy any ivelany heveriny ho manampahaizana ankehitriny, ny be diplôma ambony sady profesora, dia mbola eo hatrany ny olana fototra.

Anisan’ny olana efa nitranga sy niadian-kevitra be mihitsy tamin’ny tomponandraikitra sy minisitra nisahana ity fanabeazam-pirenena ity tamin’ny mpitondra talohan’izao, ny momba ny amin’ny fampandoavana vola ho an’ny mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Cepe sy Bepc. Ny talen’ny antokon-draharahana sekoly tsy miankina, izay misahana sekoly maro manerana ny nosy, no nilaza ny amin’ny olana momba izany raha tanterahina. Ireo mpianatra sy ray aman-dreny any ambanivohitra lavitra any dia tena sahirana amin’izany, raha ny nambarany.

Mbola misy anie ireo ankizy mandeha an-tongotra roa na telo andro vao tonga any amin’ny toeram-panadinana, ny vola zara raha misy hihinanan-kanina hiatrehana ny fanadinana, kanefa mbola vesarana saram-panadinana indray izy ireo. Tsy azo ekena izany, hoy ireo niady hevitra tamin’ny tomponandraikitra tamin’ny fotoan’androny izay.

Miverina indray anefa ity fitakiana vola izay hiatrika fanadinam-panjakana ity. Izany ve no fitondrana mahay mitondra firenena? Mba zavatra tsara mampiaiky vahoaka sy hafa noho ny hafa sady vaovao feno fahendrena lalina no mba tanterahina eto, fa tsy izay efa nitranga sy nisiana adihevitra be. Karazany miverina ilalana isika ity. Ny minisitra ankehitriny koa angamba tsy teto an-tanindrazana tamin’ny fotoana nisian’izany tranga izany.

Fa nahoana no vesarana vola saram-panadinana ny zana-bahoaka? Tsy amin’ireo fanadinam-panjakana roa ireo ihany no lazaina amin’izany, fa na ny amin’ny bakalôrea sy ny fidirana eny amin’ny Anjerimanontolo koa. Ao anaty fahasahiranana ny sarambabem-bahoaka amin’ny ankapobeny. Vola ataony sakafo isan’andro aza manahirana azy. Ny sekolim-panjakana no lalana malalaka kokoa ho azy hianaran’ny zanany amin’ny resaka saram-pianarana. Zary sakantsakana ho azy anefa ny fampandoavana azy vola.

Ankehitriny adihevitra be tsy ifankahitana ny amin’ny mandoa na tsy mandoa vola any amin’ireo sekolim-panjakana ireo. Ny fepetra noraisin’ny fanjakana ihany no niteraka izany. Raha tsorina, tsy mbola manampy amin’ny hisandratan’ny zana-bahoaka amin’ny seha-pianarana hatramin’ny faratampony izao fitondrana izao; ary ny olana fototra tsy mbola voavahany hatreto.