Mitohy ny antsojay atao amin’i Rolly – Mihemotra amin’ny 7 mey ny didim-pitsarana

Ny Valosoa

Amin’izao fetin’ny Paska 2021 izao, miandrandra fandresena ny olo-marina. Efa ho roanjato taona mahery izao no nidiran’ny fivavahana kristiana teto amintsika . Mankalaza tsy tapaka ny herinandro masina isika malagasy nandritran’izay taona maro nisian’ny fivavahana kristiana izay, ka tsy afaka ao an-tsaina ny fijaliana nosedrain’ny Tompo izay niafara tamin’ny nandreseny ny fahafatesana.

Azo ampiharina amin’ny fiainantsika malagasy ny tantara nisy teo amin’ny finoana kristiana. Tsy hitodika lavitra isika fa tonga dia ny zava-miseho tamin’ity taona ity no raisina ho ohatra.

Maro ireo raharaham-pitsarana izay niteraka alahelo teo amin’ny olompirenena maro, satria dia voahosihosy ny fahamarinana, aiza ve ka olona miakanjo mena dia samborina fotsiny izao ary tazonina 40 andro sy 40 alina mahery any am-ponja, ny namana mpanao gazety Rolly Mercia dia gejaina efa ho volana maromaro kanefa ilay tovolahy niampanga azy aza, efa nanambara fa tsy misy fahadisoan’i Rolly Mercia amin’ ilay raharaha, ary ny tena loza dia mbola ahemotra amin’ny 7 Mey 2021 indray ny didim-pitsarana momba ity raharaha ity.

Mampahatsiahy ny tantara tamin’ny herinandro masina ny raharaham-pitsarana eto amintsika, satria miverina ao an-tsaina avy hatrany ny teny nataon’i Pontio Pilato nanao hoe; “ tsy hitako izay fahadisoan’io lehilahy io” sy ny hoe” manasa tanana amin’ny ràn’io lehilahy marina io aho”, tsapa tokoa fa sahirantsaina ny mpitsara malagasy rehefa hamoaka didy, satria toa tsy ny fahamarinana no kendrena fa lasa fitsarana politika no misy eto.

Mikasika ireo mpitandro filaminana nirongo fiadiana nisakana ny vahoaka tsy hiditra tao amin’ny Kianjan’ny 13 Mey dia mahalasa fisainana ihany , satria solombavambahoaka hanao tatitra dia hampihetsehana miaramila marobe, kanefa ny sisintany tsy vitan’ireo miaramila ny miaro azy amin’ny fidiran’ny botry mampiditra aretina mandringana ny vahoaka.

Fa raha nahita ihany koa ny fampiasan-kery nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ireo niakanjo mena tamin’ny 20 Febroary 2021 dia mahatsiaro ny herisetra nataon’ireo miaramila tamin’i Kritsy, marina aloha fa sarotra ny mampitovy an’i Kristy amin’ireo mpitolona mafana fo , fa ny azo ambara kosa dia mitovy ny fihetsik’ireo mpibaiko ny miaramila tamin’ny andron’i Kristy sy ny teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey.

Isika rehetra dia samy mahalala ny tantaran’ny Tompo fa maty novonoina izy kanefa dia nitsangana nandresy ny fahafatesana, ary ny mpino kristiana rehetra dia samy mino ny hoe: ”raha tsy nitsangana ny tompo dia foana ny toriteny rehetra”, ny fitsanganan’i Kristy dia midika ho faharesena ho an’ireo nampilanja azy ny hazo fijaliana, anisan’izany ireo miaramila nampiasa hery taminy indrindra f’ireo mpibaiko ary henatra lehibe ho an’ i Pontio Pilato izay namoaka didy fanamelohana azy.

Efa ho roanjato taona mahery ny nidiran’ny fivavahana kristiana teto amintsika , ary efa 186 taona no voadika tamin’ny teny malagasy ny baiboly noho izany, dia latsa-paka ao ampon’ny vahoaka malagasy ny finoana indrindra, fa ny vahoaka mpitolona sy tia fahamarinana, koa miandrandra fandresena ny vahoaka vontom-pinoana ary miasa Andriamanitra sady tsy verivery foana ny ràn’i Kristy nalatsaka, ka tsy maintsy hisy ny valimbavaka.

Dia mirary Paska Sambatra ho antsika rehetra.