Jeneraly Rasolosoa Dolin – Marary ary nampidirina eny amin’ny Hopitaly Anosiala

Niaina

Marary ary nampidirina eny amin’ny Hopitaly Anosiala Ambohidratrimo amin’izao fotoana, ny jeneraly misotro ronono Rasolosoa Dolin. Anisan’ny tsaboina eny amin’ny CHU Anosiala amin’izao fotoana ny valanaretina coronavirus, heverina arak’izany fa tratr’ity valanaretina ity izy, izay aretina mamely ny taovam-pisefoana.

Ity jeneraly ity dia efa lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy taloha, efa filohan’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita, na Conseil Supérieur de la Transition (CST). Izy no anisan’ny nitarika ny olona natao sorona, teny amin’ny Lapampanjakana Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary tamin’ny taona 2009. Anisan’ireo olona 109, voasazin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy arak’izany, tamin’ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny taona 2009 ireny.

Na izany na tsy izany, ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia mirary fahaasitranana ho an’ity jeneraly misotro ronono mpanao politika ity.