IZA MARINA NO DONDRONA ?

Rediredy, revin-gadra no omanina ho kabary,
Ka dia be no leo tanteraka sy tsy te hihaino intsony.
Tokana ny zava-misy ka lazaina an-karihary:
Tsisy zavatra manjary izay ataon’ny eny ambony!

Fari-piainan’ny vahoaka mitotongana tanteraka.
(Mody tsy mahita izany ry tsy mahalala kely!)
Be dia be ireo tena noana, mihamitombo koa ny reraka,
Saingy tsisy fijerena izay ho azy velively!

Injao ny aretina mihanaka, isan’ora misy lavo.
Mby an-koditra ny voina, mihamitombo ny mafaitra.
Ny tontolo izay jerena, mainka toa manjavozavo,
Saingy hatreto dia tsy misy vahaolana mandaitra.

Ny kabary hatrany hatrany no tefena sy amboarina
Hampitonitony kely sy hampisinda ny tomany.
Saingy izato firenena miharesy sy mivarina
Any an-davaka mangitsoka toa tsy misy fiafaràny!

Angamba raha tsy ny eo akaikin’ny mpitondra no ho ripaka,
Amin’izay vao hotsaroany f’efa tena “may Ambondrona”.
Miandry gasy an’alinaliny, hiampatra, hitsipatsipaka,
Izay vao hisy ny hiaiky fa hoe VENDRANA SY DONDRONA!

IRINA HO TAFITA (03-03-21)