EDITO 3 Aprily – Fitondrana Rajoelina – Tsy azon’ny vahoaka antenaina hahaaro azy

Sôh’son

Iaraha-mahita ny zava-misy amin’ny fiatrehana ny valanaretina covid19 ankehitriny eto amin’ny firenena. Miha-mivatravatra ny famelezan’ity valanaretina ity amin’izao fotoana, raha tsy hilaza afa-tsy ny isan’ireo voa sy ny maty izay miha- mitombo isan’andro. Ho an’ny mpandinika, dia indroa niditra ny valanaretina, ny tamin’ny volana martsa 2020, sy ny volana martsa 2021, izay niova endrika niha-mahery vaika. Samy avy any ivelany ny fiavian’ireo, fa ny iray niditra avy amin’ny habakabakaba nentin’ny mpandeha tamin’ny fiaramanidina, ity faharoa kosa dia nambara fa avy amin’ny mpandeha an-dranomasina avy ao amin’ny Nosy Kaomôro, ary niditra antsokosoko teto. Izany hoe vavahady nidanadana nidiran’ny valanaretina covid-19 izany ny an’habakabaka sy an-dranomasina izay maha Nosy antsika. Ireo no vavahady roa lehibe hany ahafahana miditra eto kanefa misy lesoka. Ary ny lesoka mitondra ho amin’ny famoizana ny mpiray tanindrazana, efa ho 410 mahery tato anatin’ny herintaona izao. Betsaka izany, ary nihazakazaka ny tarehimarika tamin’iny volana martsa nivalona iny no mankaty.

Mitodika avy hatrany any amin’ny mpitondra ny sain’ny olom-pirenena maro rehefa mahita sy mandre ny zava-misy. Mahaaro marina ny vahoaka entiny ve ity fitondrana Rajoelina miseho azy ho babany noho ny hafa sa tsia ity? Ny valiny dia azo lazaina ho tsy mahaaro ny vahoaka izy ireo. Tandindonin-doza ny vahoaka Malagasy manoloana ny fihanaky ny valanaretina. Natao hiaro azy ny fitondrana izay no andraikiny iray lehibe. Efa nivaky vava izany rahateo ny filohan’ny Repoblika, fa andraikiny izany.

Hatreto anefa, mahita ireo lavon’ny valanaretina maro sy ny mbola miady aminy mafy, dia tsy nahavita ny andraikiny izay ny fitondrana. Io tarehimarika io tsy azo ampitahaina amin’ny mitranga any amin’ny firenen-kafa, fa hadisoana bevava izany. Ny eto amintsika aloha no hita maso mivantana, ary amin’ny maha Malagasy, ny aina zava-dehibe sy manan-kasina, tsy azo atao antsirambina. Toa miseho anefa izany raha ny zava-misy re raha tsy hilaza fotsiny ny tany amin’ny faritra, amin’ny resaka fitaovana enti-mitsabo, ohatra, toy ny amin’ny ôksizena.

Niseho nampidera fitaovam-piadiana izao fitondrana ankehitriny izao, fony izy niakatra teo amin’ny fitondrana tamin’ny lanonana teny Mahamasina. Nidehaka fa handresy ny asan-jiolahy sy ny dahalo. Iaraha-mahita anefa ny lafiny tsy fandriampahalemana ankehitriny, ary ny vahoaka dia mbola miaina ao anaty fitaintainan-dava toy ny sahobakaka ambodiriana andro aman’alina. Iaraha-mahita ny fijaliam-bahoaka amin’izany, na an-tanàn-dehibe, na any ambanivohitra, sy ireo faritra lazaina ho lavitr’andriana. Manampy trotraka ihany koa ity ny fidaroky ny valanaretina coronavirus amin’ny endriny vaovao izay masiaka.

Lasibatra ny vahoaka Malagasy. Zary kely endaka ny fitondrana manoloana izany rehetra izany, ary toy ny miantehitra amin’ny “hazo boboka” ihany ny vahoaka. Aoka izay ny fisehoana ho babany, mahay sy mahavita noho ny hafa teo aloha, raha tsy mahaaro ny vahoaka toy izao.