Orinasa madinika 200 – Tsy voaefan’ny Fanjakana ny vola 180 tapitrisa ariary isaky ny orinasa

Asa Vaventy – Mbola mitaky ny volany tsy voaloan’ ny fitondrana ireo mpandraharaha
Aly

Mbola mitaky ny volany tsy voaloan’ny fitondrana hatramin’izao ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny asa vaventy eto amintsika, nanao lalana sy nikojakoja lalana nanerana an’i Madagasikara.

Mbola mitohy noho izany ny dinika eo amin’izy ireo sy ny fitondrana, ho fanefana ireo trosa tsy voaloan’ny fitondrana ireo, amin’ny alalan’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, sy ny ministeran’ny asa vaventy.

Noho ny tsy fandoavan’ny fitondrana ny volan’izy ireo, manana olana amin’ ny bankiny, sy ireo mpiara-miasa aminy ireto mpandraharahan’ny asa vaventy ireto, ka miantso ny tompon’andraikitra hamaha izao olany izao haingana. Teo amin’ny fikojakojana ny lalana, orinasa madinidinika miisa 200 eo no tsy voaefa ny volana, ka mitentina 180 tapitrisa Ar eo avy isaky ny orinasa izany.