Fanandratana ny firenena ny fanajana ny soatoavina

Aris

Misy fotoana ipoiran’ny toe-tsaina maha malagasy ary iavahan’ny malagasy ray, malagasy reny amin’ny samy mpiara-monina eto amin’ity firenena ity. Arakaraka ny trangam-potoana tsy voafaritra io matetika. Anisan’ny iray amin’izany ny niseho vao tsy ela izao tamin’ny fodiamandrin’ny filoha teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka. Tonga naneho ny fiaraha-miory tamin’ny tompo-manjo ny ankolafin’olona samihafa indrindra teo amin’ny sehatra politika. Anisan’izany ny avy amin’ny antoko mpanohitra eto amin’ny firenena, izay ivondronan’ireo antoko maro samihafa toy ny antoko Tiako i Madagasikara, notarihin’ny filoha Ravalomanana Marc. Niaraha-nahalala tsara ny zava-nisy teo aminy sy ity nodimandry. Niseho ny maha avo lenta ny soatoavina malagasy ny amin’ny firaiketan’izany ao an-tsaina mandrakariva, raha mbola Malagasy koa, dia ny fanajàna ilay teny hoe : « ny Malagasy tsy miady amam-paty ». Nasandratr’ireto avy amin’ny antoko mpanohitra izany soatoavina mampiavaka ny Malagasy izany ny alahady hariva lasa teo, ary fanomezana môdely hatrany eo amin’ny fanaovana politika eto amin’ny firenena, sy ho an’ny vahoaka malagasy.

Hadisoana ny mitsara izany fihetsika izany, fa raha olona misaina ny amin’ity firenena ity, sy mihevitra ny hanandratra azy, dia ny mety ataony ny miezaka mikolokolo izany toe-tsaina izany, fa hany lalana iray lehibe hahafahana mampiray hina ny vahoaka malagasy izany, ary indrindra fampiorenam-paka lalina ny fihavanana. Antony iray lehibe mampikorosifahana ny firenena, ka mahatonga azy ho amin’izao toerana izao ny fahapotehan’ny firaisankina sy ny fivakivakin’ny fihavanana. Misy mihevitra, fa amin’ny alalan’ny baolina kitra ataon’ny ekipam-pirenena no hahafahana mamerina sy mametraka izany indray. Hadisoan-kevitra ihany izany, sy tsy fahaizana mijery lavitra, satria fototra tsy atokisana ho mafy orina tsotra izao. Hadisoan-kevitra be ihany koa raha misy misaina, fa ny firesahana na fivoizana be amin’ny haino aman-jery, indrindra amin’ny an’ny fanjakana ny tranga fahalasanan’olo-malaza toy ireny sy hampisaonana ny firenena no hamerina izay firaisankinam-pirenena sy hanamafy orina ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy.

Fanoitra iray lehibe amin’ny fampandrosoana sy fanandratana ny firenena ny fanajàna sy fikoloana ny soatoavina. Raha foto-pisainana vahiny na nalain-tahaka tamim-bazaha no enti-mitondra firenena dia ho lany andro fotsiny hihodinkodina tsy ho tafavoaka ary hampijaly sy hampahantra vahoaka. Miainga eny ifotony no lalana hahafahana miainga, fa tsy ny rentirenty nahamety ny fiaimpiainan’ny firenena tandrefana no fitaovana entina ampiasaina eto hanitsahana ny fahendrena Malagasy. Miantso ny fiaraha-mientan’ny vahoaka malagasy ny fitondrana ho amin’ny fiatrehana izao firongatry ny valanaretina izao, kanefa izy tsy hita na kely aza mandrisika ny vahoaka, na mba nitady ny fomba samihafa izay azo natao hanamafy ny firaisankinany sy ny fihavanany. Nanao tazan-davitra aza no azo ilazana azy, mba tsy ilazana hoe nihalangalana. Misy fifanoherana izany.

Raha mbola mampiasa « solomaso mainty » ihany ny olona eo anivon’ny fitondrana miatrika ny olom-pirenena vonona hampandroso ity firenena ity, na dia tsy mitovy hevitra aminy aza, dia ho gisitra lava hatrany toy izao miohatra amin’ny firenen-drehetra manerantany isika. Ny olona manàja ny soatoavina maha malagasy, toy ny nataon’ny antoko mpanohitra eto firenena vao tsy ela, ny fanohanana azy amin’izany fihetsiny izany, dia tena tokony hatao mihitsy, fa hanova zavatra be dia be eo amin’ny fomba fijerin’ny vahoaka izany. Ny resabe mampandry adrisa feno fampanantenana poak’aty hatramin’izay efa lany andro dia tsy mitondra n’inona n’inona eo amin’ny vahoaka intsony.