EDITO 30 Marsa – 29 Martsa : hadisoana ny tsy nanamarihana azy

Sôh’son

Tsy ny trangan-javatra ankehitriny akory no hanarontsaronana, na hanakontakonana ny lanja sy maha zava-dehibe ny vaninandron’ny 29 Martsa. Andro lehibe manatantara eo amin’ny fiainan’ny malagasy iny andro iny, ka tsy eken’ny saina velively ny handinganana, na anaovana resaka am-pahanginana azy. Ny andron’ny 29 Martsa, izay nanehoan’ny fitondrana frantsay ny habibiana sy ny fanambaniany ny firenena malagasy. Tsy niahotra ny mpanjanatany frantsay tamin’ny fandatsahana ny ran’ny tia tanindrazana malagasy aman’hetsiny maro, na aman-tapitrisany akory aza, sy nanapotika ny fiainan’ny fianakaviana malagasy maro. Ratra lehibe ho an’ny firenena malagasy izany, ka sanatriavina ny hanadino azy. Tsy mbola manolatra ihany koa ny fery, satria ny fanasitranana natao tsy nisy ary fampandriana adrisa no natao tamin’ny vahoaka Malagasy nandritry izay taona maro lasa izay. Ny kentrina ihany no tsy mahalala na minia mikimpy, fa zovy no tsy mahalala ny amin’ny mbola ezahin’ny fitondrana frantsay ankehitriny nandova ny fitondrana mpanjanatany nifandimby tao aminy, hanageja hatrany sy hamikitra tsy hahaleotena tanteraka ity firenena ity?

Ny rà Malagasy niraraka sy namonto ny tany, ny fangirifiriana mafy nanjo ireo nitolona, 74 taona lasa izay, dia mampahatsiahy mandrakariva fa mbola misy ny tolona tsy maintsy tohizan’ny taranaka ankehitriny sy adidiny. Anisan’ny olona, na teratany Malagasy aza, manampy an’ireo mpanjanatany sy ny mpitondra frantsay ankehitriny amin’ny politika malotony ny fahanginana fotsiny amin’izao, na ny fanekena ny firaisana tsikombakomba aminy, ka manome lanja ny fifanaraham-piaraha-miasa na “Accord de coopération”, sy izay mety ho endri-piaraha-miasa isan-karazany, ka tsy ilazana fa ananan’ny vahoaka Malagasy trosa ny firenena frantsay, indrindra ireo mpanao politika malotony. Ireto farany izay mbola mikiribiby manohy ny politika ihazonana ity firenena Malagasy ity, tsy hiala eo ambany vahohony handritry ny taona maro, eny na taonjato ho avy mihitsy aza.

Raha mbola tsy miray saina ny Malagasy, dia mbola ao anaty teti-panoron’ny fitondrana frantsay mpanao politika maloto izay. Misy mantsy ireo olona novolavolainy, ka manao tsy am-piheverana sy tsy fahatsiarovantena ny fanatanterahany izany eto amin’ny firenena, na noho ny figohana ihany koa ny tombontsoa manokana azony avy amin’izany. Olom-bitsy ihany ireo kanefa efa zary fitaovana ampiasaina azony ampiasaina tsara amin’ny fotoana samihafa. Mahay mamitaka ihany koa ireo mpiray tanindrazana aminy amin’ny fihetsika sy fiteny manodoka, na manapempo. Kianja mety amin’izy ireo tsara ny fahatakaran’ny maro tsy nandia fianarana firy manerana ny Nosy. Raha tsy io tranga mamohehitra io no voavaha sy voaady hatrany amin’ny fakany, sarotra ny hiavotan’ny firenena sy hahaleotena azy mangarahara. Fa raha mbola izao no mitohy sy amboamboarin’ny fitondrana eo, fa tsy sahy mamaky bantsilana ny fomba ratsin’ny fitondrana frantsay, sasara-ko hariva ny andro.

Ny andron’ny 29 Martsa, tsy maintsy anisan’ny iray atao fanoitra lehibe hanaingàna ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny Malagasy ankehitriny ary fototra iray io ho amin’ny fampandrosoana ity firenena ity. Hadisoana bevava mihitsy ny fanaovana hetsika mangatsiatsiaka ho fahatsiarovana azy.