Fanarenana ny baolina kitra Malagasy – Misy ny maniry ny hiverenan’i Arizaka Rabekoto Raoul hitantana ny FMF

Ny Valosoa

Araka ny fanadihadiana nataon’ny gazety tamina mpitia baolina kitra, mpilalao baolina kitra, mpitsara lalao, mpitantana klioba, misy izy ireo ny maniry indray ny hitantanan’i Arizaka Rabekoto Raoul ny FMF, na ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra.

Tamin’ny fotoana nitantanany ny federasiona hoy ny fanehoan-kevitra samihafa, mialohan’ny nialany: fandresena 2 no azon’ny Barean’i Madagasikara tamin’izany: nandresy an’i Ethiopia teo Mahamasina ny ekipam-pirenena Malagasy, nandresy an’i Niger tany Niamey. Tao aorian’ny nanalana azy anefa, faharesena 2 no azon’ny Barea, ary ady sahala 1, izay no tokony hamerenana azy amin’ny fitantana ny FMF indray, hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana.

Mahakasika indray ny baolina kitra ao anivon’ny tahiry Cnaps, rava ny baolina ao anivon’izany tahirim-pirenena izany tao aorian’ny nanalana azy, na ny orinasa koa aza ankehitriny dia mitsipozipozy, satria araka ny vaovao voaray, vola ao amin’ity tahirim-pirenena ity no anisan’ny anakaramana ny mpanazatra ny Barea Nicolas Dupuis.

Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mbola Raoul no atokisan’ny any ivelany, matoa izy nifidy, nisolotena an’i Madagasikara tamin’ny fifidianana ny ho filohan’ny CAF tany Maraoka farany teo ireny. Ireo izay nanaovana fanadihadiana dia samy nanambara nandritra izany fa hoe: ”avereno Raoul”.