EDITO 27 Marsa – Mpitondra tsy ampy solaitra

Ny Valosoa

Manoloana ny tsy fahombiazan’ny tompon’andraikitra voalohany eto amin’ny firenena, dia ny filoha Andry Rajoelina, eo amin’ny fiatrehana izao valanaretina Covid-19 izao, dia inona sisa no azony lazaina? Hiaiky ny hadisoany ve? Ary na hiaiky ny hadisoany izy, tsy hamerina ireo aina nafoy izany? Hampiato ny firongatr’ireo mamoy ny ainy amin’izao fotoana izao ve?

Efa nolazaina ombieny ombieny fa ilàna fanetren-tena ny fitantanana firenena, fa tsy nohenoin’i Andry Rajoelina mihitsy izany. Vao mainka ny fanenjehana ny mpanohitra no ataony laharampahamehana. Ny valanaretina efa manafika, saingy tsy nahoany fa ny dokambarotra CVO no ventesina isanandro. Tsy ny tsikera atao aminy no entiny hanatsaràna sy hanitsiana ny tsy mety, fa ireo manoro ny lalana indray no tapenam-bava, enjehina, gadraina.

Ankehitriny efa tara. Tsy nahay nanomana paikady matanjaka i Andry Rajoelina entina miatrika izao valanaretina izao, fa variana naka fahefana sy nanenjika ireo tsy mitovy hevitra aminy ary mampiroborobo ny kolikoly. Tonga ny fotoana hijinjany ny nafafiny ary hiatrehany ny vokany. Miakatra ny tahan’ireo marary sy matin’ny Covid-19 ary amin’ny fomba ‘exponentielle’, izany hoe tena misonga haingana. Tsy niomana tamin’izany ity fitondram-panjakana ity. Ireo ‘paramed’ miady miatrika ity valanaretina ity àza dia tsy mahazo ny tambin-karama izay zony. Ny miaramila tokony hisahana ny fandriampahalemana indray izao no ampidirina hiady amin’ny valanaretina. Gaboraraka tanteraka ny fitantanana ny firenena. Mpitondra tsy ampy solaitra hoy ny tenin-jatovo no mitantana sy manome baiko ankehitriny. Anio hafa no lazaina, rahampitso hafa indray.

Ny adala anefa tsy hanaiky hilaza ny tenany ho adala ka hibebaka amin’ny tsy mety ataony? Ny mpitaty ràn-kena koa manosika etsy andaniny. Ka ho aiza àry ny lalan-kombantsika vahoaka?