74 taona lasa izay – Tsiahin’ny 29 martsa 1947 (1/2)

Ny Valosoa

Feno 74 taona ny nipoahan’ny raharaha 47, ny alin’ny Sabotsy 29 Martsa 1947 no nipoaka ny raharaha tao Moramanga ary niitatra nanerana an’i Madagasikara ny famonoana sy ny fisamborana, nahatratra sivy alina ( 90000 ) mahery ireo namoy ny ainy. Roa taona taorian’ny nahavitan’ny ady lehibe faharoa no niseho ny raharaha 1947.

Nijoro ny Firenena Mikambana

Vao vita ny ady lehibe faharoa tamin’ny 8 Mey 1945 dia nifanaraka ireo firenen-dehibe fa atao amin’ izay, ny tsy isian’ny ady intsony, satria niteraka fahapotehana ara-toekarena, ankoatran’ny famoizana aina marobe ny ady. Nijoro ny Firenena Mikambana (ONU), ka ny tanjona dia ny fametrahana amin’izay ny filaminana sy fandriampahalemana manerana izao tontolo izao, najoro ihany koa ireo sampan’asa toy ny Unesco, Unicef, Oms, Bit ,Onudi, sns… Ny tanjon’ny Firenena Mikambana dia hijery izay mahasoa ny vahoaka erantany amin’ny lafiny ara-toekarena, ara-tsosialy, ary indrindra ny fitandroana ny zo mahaolona, noho izany dia tsy azon’ireo firenendehibe ihodivirana intsony ny fanomezana fahaleovantena ireo tany voazanaka, izay marihana fa nanampy be dia be ireo firenen-dehibe ireo tamin’ny ady lehibe roa (1914-1918) sy (1939- 1945).

Niorina ny Mdrm

Niaina izany rivo-panovana nitsoka manerana an’izao tontolo izao izany, ireo tia tanindrazana malagasy niasa sy nianatra tany Frantsa, ka nifanatona sy nifampiresaka ary dia niroso tamin’ny fandinihana ny fomba iverenenan’ny fahaleovantena satria samy efa nahatsapa f’efa ampy ny nanampiana an’i Lafrantsa tamin’ny ady lehibe roa, koa rariny raha mba hiady ho an’ny tanindrazana amin’izay.

Nifanaraka ireo tia tanindrazana malagasy tany Frantsa ireo, fa hanangana antoko politika ahafahana mifampiresaka milamina tsy misy fampiasan-kery amin’i Lafrantsa. Najoro ny antoko MDRM, na Mouvement Démocratique pour la Renovation Malgache, nahazo fankatoavana tamin’ny fitondrana frantsay io antoko io ny 22 Febroary 1946, tao Neuilly-Paris no foiben-toerany. Nanangana ny antoko, ny Dokotera isany , Raseta Joseph, Ravoahangy Andrianavalona, Rakoto Ratsimamanga, niampy an’i Rabemananjara Jacques, Rabemananjara Raymond William, Raherivelo Ramamonjy, Andriamiseza mirahalahy sns…
Vetivety dia niely taty an-tanindrazana ny vaovao, ka maro ireo malagasy nirotsaka ho mpikambana taty an-tanindrazana, ny Dr Rakotonirainy Joseph, no Sekretera Jeneraly nisahana ny fandraisana mpikambana sy ny fandrindrana ny antoko.

Nijoro ny Padesm

Natahotra mafy ny herin’ny MDRM ny frantsay, ka nitady ny fomba nanapotehina azy. Mbola ny “zarazarao hanjakana” ihany no fomba noheverin’ny frantsay fa mahomby, ka nitady hevitra izy ny hananganana antoko iray afaka hifampitana amin’ny MDRM.
Ny 06 Aogositra1946, nahafeno 50 taona ny nahazanatany antsika malagasy, dia nifanaraka ireo tia tanindrazana malagasy niandany tamin’ny MDRM, fa atao andro fisaonana io 06 Aogositra 1946 io, ka tsy hisy gazety hivoaka amin’io, fa raha sendra misy aza dia asiana tsipika mainty ho mariky ny fisaonana. Etsy ankilany anefa dia nivoaka ny laharana voalohany tamin’ny Gazety Voromahery navoakan’ny Padesm ary nahazo ny fankatoavana ara-panjakana ny fijoroan’ny PADESM tamin’io 06 Aogositra 1946 io.
Parti des DESherités de Madagascar no fanalavana ny PADESM, ka ireo Maintienindreny avy eto Imerina no nanangana azy toa an’i Ramambason, Ratsimandrava, Ralibera Albert, sns… Ny tanjon’ny frantsay dia ny hampifandrafy ny Mdrm sy ny Padesm, tsy tontosa anefa izany ka nalefa nanampy tosika ny Padesm indray ireo avy any anindrantany toa an’i Zafimahova Norbert, Tsiranana Philibert, Raveloson Mahasampo, Totolehibe, sns…

Nisy ny fifidianana notanterahina teto Madagasikara talohan’ny taona 1947 nifidianana ireo solontena tao amin’ny “Assemblée Representative”, ka voafidy ny Dr Raseta sy ny Dr Ravoahangy, vao mainka naharomotra ny frantsay izany, ka tsy maintsy notadiaviny izay fomba hanapotehina io antoko nekem-bahoaka sy nanahirana azy vazaha io.

Ny alin’ny Sabotsy 29 Martsa 1947 dia nipoaka ny savorovoro tany Moramanga.

( HOTOHIZANA )