FIAINGANA VAOVAO

Rehefa vizana nanenjika dia nanova fomba indray
Ka nanatsaratsara tena fa hoe olona “milay”?
‘Zahay anefa ry sakaiza tsy dia jamba na hoe pahina,
Fa mba hainay ny manavaka ny volamena sy varahina!

Ianareo na mbola hodiovina amin’ny rano sy savony,
Na hosoran-dranomanitra hafaladia sy hatrany ambony,
Dia tsy hanam-piovana sy tsy hisy fihatsarana,
Noho ny fonareo maloto sady feno fankahalana.

Ny fihogo sy fitafy no azo amboarina ho raitra.
Ny famindra sy fihetsika, azo ovàna mba hanaitra.
Ny rehetra ety ivelany, mbola azo hosoran-doko,
Saingy ny ati-fonareo no feno loto sy tsikoko!

Ka dia tsara ho anareo ny miato sy mandini-tena,
Raha tsaroana ho mbola misy ny tahirim-pahendrena.
‘Ndeha diovy re ny fo, avy koa ‘ndeha sasao ny tanana,
Fa “fiaingana vaovao” no hitondra ho amin’ny fiadanana.

DADAN’i ZINA (23-03-21)