EDITO 25 Marsa – Fitondrana Rajoelina – Miharihary ny tsy fahaiza-mandamin-javatra

Sôh’son

Miseho hatrany ny tsy fahaizan’ny fitondrana Rajoelina mandamin-javatra. Efa hatramin’ny taon-dasa no niharihary izany ary efa nandaniana ranomainty sy onjam-peo maro ny fitenenana sy fanakianana izany. Anisan’ny nisongadina, ohatra, ny fikorontanana tamin’ny fizarana ireny fanampiana ara-tsosialin’ny mponina ireny, nandritra ny krizy ara-pahasalamana voalohany tamin’ny taon-dasa. Tsy sahy niaiky ny fahadisoany ny fitondrana, fa ny hany hery nampitsahatra ny fizarana nandritry ny andro maromaro. Tsy nety nilamina tanteraka anefa izany taorian’izay.

Tato anatin’ny andro vitsivitsy dia hitam-poko hitam-pirenena indray izay tsy fahaizana mandamin-javatra, na asa atao izay tamin’ny fizarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Efa hatrany amin’ny fitakian’ny mpianatra sy fanombohana ny fizarana tany amin’ny faritra hafa no efa nahitana taratra izany. Anisan’ny antony nampikorontana ny mpianatra teny amin’ireo sekoly ambony teto amin’ny firenena izany. Izao indray nizara izany vatsim-pianarana izany, toy ny nitranga teny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso. Tsy mbola nahitana tranga toy ireny ny amin’ny fijalian’ny mpianatra maka vatsim-pianarana. Tonga vao maraina be ary alim-be vao mody, miovaova ny toromarika omena ny mpianatra, sns… Mijaly ny mpianatra. Tena niharihary ny tsy fahaiza-mandamina kanefa eny amin’ny sekoly ambony. Tsy vao izao koa no mizara izany vatsim-pianarana izany ny eny amin’ireny sekoly ireny.

Santionany iray lehibe tsy hay adinoina ihany koa, fa niseho teto amin’ny firenena ny fiantsoana ireo zatovo sy tanora lahy sy vavy Malagasy ho amin’ny fitsarana miaramila. Fikorontanana tamin’ny fandraisana azy ireo rehefa nidodododo tonga maro izy ireo, fa ilaina izany fitsarana miaramila izany. Ny fotoana tsy voahaja, ny fizarana ny karatra nahitsihitsy amin’izay tao an-tsaina fotsiny ihany. Ireny ve tsy manome môdely ratsy ny tanora izay ambara ho hoavin’ity firenena ity? Tomponandraikitra tsy mahay mandamin’asa no aseho ho hitany sy iainany.

Ankehitriny, miatrika ny onja faharoa amin’ny valanaretina covid-19 ny firenena. Tsy hita be ihany izay fanapahan-kevitra hentitra raisin’ny fitondrana. Mikorontana ny fampiharana ny fepetra raha ny fahitana ny zava-misy eny an-dalambe rehetra eny, sy any anaty fiarakodia, na fitateram-bahoaka, na any amin’ny sehatra samihafa. Miseho ho mahay sy babany ity fitondrana Rajoelina ity, ary tsy mitsahatra ny manambany ny hafa, kanefa izao hita miharihary izao ny fomba fitantanany. Santionany ireo tranga noresahana ireo, fa toy ny any amin’ny sehatry ny fampianarana aza tsy mbola noresahana…