Covid-19 – Aoka tsy sakanana ireo hisafidy ny vakisiny fanefitra

Lanzelo

Tsy mitsaha-mitombo amin’izao ny isan’ireo marary voan’ny valan’aretina Covid-19. Amin’ireo dia miha-midangana ny maty ao anaty fotoana fohy. Etsy ankilany raha ny antontanisa avoakan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Fanjakana dia mandiso tanteraka ny zavamisy marina ary manamaivana ny loza iainana eo amin’ny fiarahamonina.

Efa tamin’ny herintaona ity fitondrana ity no nitavozavoza tamin’ny fanidiana ny sisintany rehefa niantso ny fanakatonana ny sisintany ny lehiben’ny mpanohitra, Marc Ravalomanana. Ary dia nidina ihany ny farany. Taty aoriana indray na dia nodradradradraina fa voafehy ny valanaretina kanefa lainga marivo fototra, dia nosokafana ny zotra fiaramanidina mampitohy ny any ivelany amin’i Nosy Be. Ankehitriny, efa tafiditra ny tsimokaretina (SARS-CoV-2) amin’ny endriny na ‘variant’ mahery vaika lazaina fa avy atsy Afrika Atsimo na ny B.1.351, izay mora miparitaka kokoa ary amin’ny fomba haingana, dia io malaky akatona io indray ny seranan’i Nosy Be.

Atao hoe endriky ny tsy fahaiza-mitantana izany na hoe fametrahana ny bizina mialoha ny ain’olona, kanefa dia lasa ihany ny saina hoe toa fanahy iniana atao mihitsy ny mamono olona satria tsy misy ny ezaka isorohana ny valanaretina na fametrahana paikady mazava itandrovana ny ain’ny Malagasy. Tsy ny fiarovana ny ain’ny Malagasy no ataon’ity fitondrana ity laharampahamehana fa ny manenjika mpanohitra. Ny lahateny voalohany nataon-dRajoelina ho an’ny Malagasy dia fanenjehana mpanohitra no nameno izany. Adino hatramin’ny fiarahabana tratry ny taona. Ary dia fanaovana dokambarotra ny CVO ihany indray no hita notenenina hiarovana fahasalamana… Ity indray vao tamin’ny 17 marsa no nanapahana tao amin’ny filankevitry ny ministra fa raràna ny famoriana olona mihoatra ny 200, efatra andro aty aoriana ambara fa olona 1.500 no avela hijery lalao baolina kitra ao Toamasina. Lazaina fa ho atao fitiliana ireo mpijery baolina ireo, kanefa maninona raha ireo manana soritraretina milahatra tontolon’ny andro no banjinina hanaovana fitialiana aloha. Korontanin’ity fitondrana ity ambony ambany ny saim-bahoaka, ary tsy atao laharampahamehana ny ainy sy ny fahasalamany.

Ary satria bizina no isan’ny laharampahamehan’i Andry Rajoelina, ary arovana fatratra araka izany ny Pharmalagasy, mba ho fampandehanana ny CVO dia asaina mihinana ny miaramila … ireo tokoa moa tsy maintsy manatanteraka baiko. Hatreto aloha dia avonavona no asetry ny vakisiny fanefitra fa CVO foana no atao dokambarotra. Amin’ny firenena rehetra, ny filoha no isan’ny manao vakisiny voalohany, ny eto amintsika, tsy fantatra na dondrona na mpamono olona, fa tambavy sy ‘gélules’ CVO no masahana ao an-tsaina.

Manoloana izany tsy fahaiza-mitantana sy filalaovana ny ain’ny Malagasy izany dia nandray ny andraikiny ny lehiben’ny mpanohitra, Marc Ravalomanana, nandritra ny fandaharana Miara-manonja tamin’ny 17 marsa, ka nilaza fa hitady izay hevitra rehetra hahafahan’ny Malagasy misitraka ny vakisiny fanefitra raha toa ka maniry izany. Ho anjaran’ny tsirairay ny hisafidy ny CVO na vakisiny fanefitra. Raha tanteraka soa aman-tsara izany dia aoka tsy hisy ny sakantsakana avy amin’ity fitondrana ity ary hamela ny vahoaka hisafidy malalaka.