NY MANARA-PENITRA

Dradraina fa manara-penitra ireo rehetra izay atao,
Na fananganana hopitaly na sekoly vaovao.
Dia hamarinina amin’ny teny sy kabary lava izao,
Kinanjo nony injay hatonina, to ilay hoe “dia gaga ianao”!

Vatan-trano no mba eo dia idobohana amponga.
Mitorombina amin’ny tany ireo ankizy sy kilonga.
Fe no lasa dabilio ka saino kely am-panajana,
‘Zay ve ‘lay manara-penitra ry mpitondra fanjakana?

Ny mpampianatra dia tena mila ho tapaka valahana,
Ka ny sezany any an-tranony no mba entiny hipetrahana.
Amin’ny “manara-penitra”, tsy dia mahamaika izany,
Fa dia hoe ny fidedahana, izay no lehibe hatrany!

Ny hopitaly izay najoro dia nitsofana trompetra,
Saingy tena mahakivy, mampikaika ny rehetra.
“Tsisy ny omena fotsiny”, (izay no efa iomanana)
Na vohavoha na fanafody, eny hatramin’ny fonon-tanana!

Ary ity no mahagaga, na manara-penitra aza
Dia tsy misy mba mankao ny ngeza sy ny manan-daza,
Fa raha vao marary kely dia mamorona hafetsena
Hamita iraka any Andafy, hay mandeha mitsabo tena!

…Ilay “manara-penitra” eto, hay ve resaka matavy
Fa tsy hiditra ao mihitsy ‘nareo deba mianakavy?
Ny vahoaka no misedra ny mangidy sy ny mafy
F’ianareo raha vao marary dia miondrana any Andafy?

Raha izany, tsy mitovy ny manara-penitsika,
K’aoka izay ny fidedahana sy fitsofana mozika,
F’izahay dia tsy matoky sy tsy manantena intsony
Raha vao hoe “manara-penitra” dokafanao mpitondra ambony!

TSIMIMALO (21-03-21)