Fambolena – Mirongatra ny valala any amin’ny distrikan’i Morombe

Aly

Araka ny vaovao azo avy amin’ny mpambloly, mpandraharaha, ray aman-dreny any amin’iny distrikan’I Morombe, faritra tsimo Andrefana iny, mirongatra ny valala amin’izao fotoana any an-toerana. Ny hafanana sy ny toetr’andro any ankehitriny dia manome vahana izay fisiana valala izay any amin’iny lemak’i Bas Mangoky iny. Anisan’ny ahitana izany andiam-balala izany ny any Basibasy, Befandriana, Ambiky, Morombe, Ambahikily, izay sompitr’iny faritra iny, sy ny tanàna hafa,…

Araka ny antso voaray avy any an-toerana, ho potika ny voly any amin’ny lemaka Bas Mangoky iny raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana hataon’ny fitondrana, indrindra ny ao amin’ny ministeran’ny fambolena. Efa miditra mamboly vary fanindroany amin’izao fotoana ny any an-toerana.

Tamin’ny andiany voalohany, namokatra ny tany amin’iny faritra iny, fa noho ny toetr’andro nisian’ny rivodoza dia potika koa ny vokatra tany. Vokatra any an-toerana anefa ankoatra ny vary, ny kabaro, ny tsako, ary ny lojy.

Hatramin’izao tsy nisy tompon’andraikitra tonga tany an-toerana mahakasika izao fisiana andiam-balala izao. Efa tsy ho vita tanana intsony ny fanondrahana fanafody noho ny fahabetsahan’ny valala, fa fandrarahana fanafody amin’ny alalan’ny fiaramanidina vao mety haha faty ireo andiam-balala ireo.