EDITO 23 Marsa – Hcc vaovao, mbola mety tsy hitondra soa ho an’ny firenena

Ny Valosoa

Lany andro tamin’ny 12 martsa 2021 teo ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) notarihan’ny Filohany, Jean Eric Rakotoarisoa.

Mivory tsy ara-potoana ireo fahefana mpanao lalàna roa tonta hisafidy ireo olona roa isan’antenimiera avy, ny amin’ireo ho mpikambana ao anatin’izany andrimpanjakana mpitsara izany, ary andrasana ihany koa ny fanendren’Ingahy Filoha sy ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara ny anjaran’izy ireo araka ny voafaritra ao amin’ny lalàna.

Ny lasa hono tsy fanadino, sanatria tsy hoe fandrabirabiana ireo “Hcc” teo aloha, fa dia ireny niaraha-nahita ireny ny hagaigeny vitan’izy ireo tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana, fa dia aleo tsorina ny marina, fa nanana andraikitra be dia be ireo “Hcc” niongana ireo tamin’ny fahapotehan’ny firenena, satria nanome lalana tsotr’izao ny mpandrendrika ny tanindrazantsika.

Kanefa vao mainka ho loza noho ny teo aloha ireo vaovao handray ny toerany, satria misy ny 3 ho tendren’ny flohan’ny repoblika, 3 hafa avy amin’ny filankevitra ambon’ny mpitsara, izay mbola ny Filohan’ny Repoblika ihany no filohan’izany filankevitra izany, ny solontena 2 avy amin’ny solombavambahoaka dia azo antoka zato isanjato, fa ho mpiaro be fahatany ny fitondrana mpanantanteraka satria manana ny maro an’isa ny Ird ao Tsimbazaza, sady solombavambahoaka voafidy tamin’ny “doublon” toy ny nifidy ny solon’i Thierry Rakotonarivo tao amin’ny “ Ceni” ihany, no hifidy ny solontena 2 ho ao amin’ny “Hcc”.

Mikasika ny ao amin-dry 18 indray, na ny Antenimierandoholona dia vao mainka tsy iadian-kevitra, fa ho mpiaro bontolo roanjato isanjato ny fahefana mpanatanteraka, mazava f’ ireo loholona voafidy dia tsy ara-dalàna satria tsy mbola nisy ny olomboafidin’ny faritra sy faritany nifidy azy ireo, fa natao hazakazaka narahin-tosika ny fifidianana tao amin’io andrimpanjakana io.

Ny dikan’izany rehetra izany dia vao mainka hitera-doza ho an’ny firenena manoatra noho ny nataon’ireo teo alohany ny “Hcc” hitsangana eo, f’ireo teo aloha moa izany voa roa toy ny dakamboriky, sady namela tantara ratsy teto amin’ny firenena no azo antoko fa tsy hisy ho tafaverina eo amin’ny toerany intsony satria, hanova olona toy ny tao Anosikely ny mpitondra, ka “tsy azo raisina” ary tsy “hitombina” ao Ambohidahy intsony ireo efa tao.