TSY LAHARAM-PAHAMEHANY…

Tsy laharam-pahamehan’ny mpitondra sy ny tariny
‘Zany atao hoe fanabeazana, ary koa ny fampianarana.
Indro fa naderaderany ary koa nabaribariny
Fa ny fampiadiana akoho no maika sady lohalaharana!

Iretsy mpianatra eny Ankatso sy ‘reo eny Vontovorona,
Dia fitahina isan’andro sady omem-panantenana.
Raha tsy mihetsika mitaky, (ny aina no efa ho lasa sorona!)
Dia tsy manome izay vatsiny ny mpitondra fanjakana!

Ny sekolim-panjakana dia nitsofana mozika
Fa hoe tsy andoavam-bola ho an’izay tafiditra ao.
Kinanjo vetivety teo dia niova tampoka ny “fika”,
Fa mandrotsaka efatra alina, hoy indray ry Belazao.

Ny mpampianatra dia misy mbola “mikarama anarany”.
Ny fitaovana iasàny, ratsy sy tsizarizary.
Enina alina isam-bolana no mba valin-kasasarany.
Tsy sakafo indray mihinan’ireo ngeza be kabary!

Ny sekoly miahy tena moa dia tsy mahita maminy,
F’efa toa tsy misy vidiny amin’ireo mpitondra ambony.
Ilay mba “tamby fanampiana” ireo mpampianatra ao aminy
Dia naato aloha hatreto sady toa tsy hisy intsony!

Fa tsy zava-mahamaika ny mpitondra sy ny tariny,
‘Zany hanova sy hanatsara ny tontolom-pampianarana.
Revin-gadra hatrany hatrany no mba ventin’ny kabariny,
Ka dia ‘zao ny firenena lavitry ny fivoarana!

DADAN’i ZINA (18-03-21)