EDITO 20 Marsa – Tsy mahatoky ny fitsaboana eto matoa miondrana any ivelany

Ny Valosoa

Tsy mbola tratra aoriana isika eto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao, raha miresaka ny fandehanan’ ireo tompon’andraikitra roa goavana eto amin’ny firenena, namonjy toeram-pitsaboana any ivelany tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, tsy iza ireo fa ny Minisitra miadidy ny Fiarovampirenena, sy ny Governoran’ny faritra Analamanga. Tsy nisy ny fanazavana mikasika ny soritraretina nanjo azy ireo, fa ny heno sy azo antoka dia lasa tokoa ry zareo niampita ranomasina.

Mikasika an’Ingahy Minisitra aloha dia manaitra ihany ilay fanapahan-kevitra hitsabo tena any ivelany, satria eto amintsika anie ka misy ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, izay toeram-pandraisana marary anisan’ny goavana ary manana ireo fitaovana faran’izay raitra, Ingahy Ministra rahateo tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Foloalindahy, azo antoka fa tsy hisy ny sahy hanao kitoatoa ny fitsaboana azy. Marihina fa misy ireo marary avy any amin’ireo nosy madinika mifanolobodirindrina amintsika mandefa marary tsaboina ao amin’io Hopitaly Miaramila io.

Momba an’Ingahy Governora indray dia efa fanta-poko fanta-pirenena, fa ny orinasany no nahazo ny tsena tamin’ny fananganana ireo “ Hopitaly manarapenitra” marobe manerana an’i Madagasikara, kanefa nony narary Ingahy Ragôva dia tsy mba nisitraka akory ny asa vitany izy, fa toa tompony mangataka atiny, ka mitady fanasitranana any an-kafa .

Ireo voalaza ireo no tonga ao an-tsaina voalohany raha vao mandre ny vaovao hoe lasa nitsabo tena any ivelany hono e, fa rehefa mandinika amin’ny saina tony dia mahatsapa avy hatrany, fa ireo tompon’andraikitra eto amin’ity firenentsika ity dia tsy mahatoky ny fitsaboana eto Madagasikara, tafiditra amin’izany: ny hopitaly sy ny fotodrafitrasa ao aminy, ireo mpitsabo isan’ambaratongany, sns…, k’aleo miala vola mankany ivelany.

Mampieritreritra ilay fanapahan-kevitra, satria dia sanatria ve dia tena tsy azo antoka tokoa ny fitsaboana eto an-tanindrazana? ary ireo hopitaly nolazaina fa manarapenitra izany dia tsara endrika ivelany fotsiny, fa tsy azo itokisana ny ao anatiny, tsy manara-penitra ve ny fitsaboana ao aminy sanatria?

Ny tena marina tsy azo lavina dia misy ny fitaovana raitra dia raitra eto Madagasikara, ka na tsy lavorary aza ny fitaovana ao amin’ny hopitaly iray dia misy ny fiarahamiasa eo amin’ny samy hopitaly, ary efa fomba fiasa eto amintsika ny mifampindrana fitaovana na misy fitiliana tsy vita ao amin’ny iray dia azo tanterahana any amin’ny hafa, ankoatran’ny Hopitaly Miaramila sy ny Manarapenitra dia misy koa ny Hopitalin’Ingahy mpanolotsainan’ny filoha izay malaza manana fitaovana harifomba eny Ilafy.

Tsy resaka fotodrafitrasa, na tsy fahampiana fitaovana, na fanafody no mahatonga ireo tompon’andraikitra mitsoaka mamonjy fitsaboana any ivelany, fa tsy mahatoky ireo mpitsabo sy mpandraharaha ao amin’ny hopitaly, ary aleo hazava fa tsy ny fahaizamanaon’ireo mpitsabo malagasy akory no tsy itokisany, fa mahina tamin’ny fihetsika nataony, na vavabe navoakany, ka lasa miahiahy an’ireo mpiasan’ny fahasalamana.

Manana ny toetsaina azo antoka ireo mpiasan’ny fahasalamana eto amintsika, ireo dokotera rahateo dia efa samy nahavita fianianana, fa hitsabo ireo marary rehetra tsy hisy fanavahana, ary ireo “paramed” na tsy nanao fianianana aza dia efa resy lahatra, fa hanolotra ny fahaizany sy ny herimpony ho an’ny mpiray firenena, matoa nisafidy ny ho mpiasan’ny fahasalamana.

Fa ny fiantraikany ratsy amin’izao fitsoahan’ireo manampahefana ambony mandeha mitsabo tena any ivelany izao, dia ny volan’ny vahoaka mpandoa hetra, no lany hiantohana azy mianakavy, sady mampiseho ankolaka koa, fa ny fitsaboana eto an-toerana dia natao ho an’ny sarambabembahoaka, tsy tena azo antoka tanteraka fa ny any ivelany no tena odifaty.

Ny olompirenena sahy nijoro tamin’ny fahamarinana dia mahatoky ny hopitaly eto Madagasikara, mahalala ny fahaizan’ny dokotera malagasy ary tsy miahiahy ireo mpandraharaha samihafa any amin’ny hopitaly.