Covid-19 – Vakisiny – Marc Ravalomanana – Mitaky ny isitrahan’i Madagasikara ny fifanarahana COVAX (ONU)

Ny Valosoa

Manoloana ny fitavozavozàna na azo lazaina mihitsy aza fa fiavonavonana eo amin’ny fampiasàna vakisiny ho atao fanefitry ny aretina Covid-19 eto Madagasikara dia nandray ny andraikiny i Marc Ravalomanana amin’ny maha-filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra azy. Nandefa taratasy any amin’ny solontenan’ny firenena mikambana monina eto Madagasikara ny tenany, nilaza fa mila miroso amin’ny fampiasana vakisiny i Madagasikara manoloana ny firongatry ny valanaretina.

Nangatahan’ny lehiben’ny mpanohitra araka izany ny ametrahana an’i Madagasikara aho isan’ireo firenena misitraka ny laminasa COVAX. Napetraky ny Firenena Mikambana sy ireo mpiaramiombonantoka ity fifanarahana ity mba handrindrana ny fampiroborobana ny fanamboarana vakisiny manerantany sy ny hahafahan’ireo firenena rehetra hisitraka izany, ka isan’izany ireo firenena mahantra.

Tsy misy firenena afaka handroso hoy i Marc Ravalomanana raha tsy misy ny fitoniana ara-politika ary koa raha tsy voafehy ny valanaretina. Izay andro iray rehetra very tsy mahatafapetraka an’i Madagasikara ao anaty io fifanarahana COVAX io, hoy ihany izy dia andro iray miampy amoizana aina maro.

Namarana ny taratasy ny lehiben’ny mpanohitra nilaza fa tsy misy intsony antony ara-bola azon’ny fitondrana aroso mikasika ny fanatanterahana izany satria efa noraisin’ireo firenena mpamatsy an-tanana daholo ny momba izany, ary maro amam-polony rahateo misy isafidianana ireo vakisiny azo ampiasaina.