Valanaretina coronavirus – Mandady ny trambo, 2 no lavo, 138 ny tranga vaovao

Niaina

Mandady ny trambo amin’izao fotoana mahakasika ny valanaretina coronavirus, na covid19. Tarehi-marika farany omaly, 2 no namoy ny ainy, 138 ny tranga vaovao. Covid-19: antontan’isa omaly 17 martsa 2021. Isan’ny natao fitiliana: 848, tranga vaovao: 138. Analamanga: 34, Atsinanana: 24, Diana: 12, Sava: 04, Boeny: 10, Vakinankatra: 06, Atsimo Andrefana: 22, Menabe: 03, Amoron’i Mania: 02, Analanjirofo: 10, Ihorombe: 01, Sofia: 10. Tranga misy fahasarotana: 94. Namoy ny ainy: 02. Sitrana: 56.

Arak’izany, miha-mahazo vahana indray ny valanaretina coronavirus eto amintsika, noho izany tokony samy ho mailo ny rehetra, ka hanaraka ireo fepetra sakana ara-pahasalamana : fanaovana aro vava sy orona, fanasana tanana amin’ny rano sy savony matetika, na fampiasana gel hydroalcoolique, fanajana ny elanelana 1 metatra.