Fitantanana – Tandindonin-doza « manara-penitra » ny firenena

Andry Tsiavalona

Malaza dia malaza nanomboka tamin’ny taona 2019 tokoa ilay voambolana « manara-penitra ». Tsara raha fantatra mazava inona marina ny tian-kolazaina amin’ity voambolana ity. Heverina fa nadika avy amin’ny fiteny frantsay « selon les règles de l’art » izy io. Ampiasaina amin’ny sehatra rehetra izany amin’izao fotoana izao, ka na fandrafetana fotodrafitrasa (làlana, trano, sns…), na fitantanana ara-bola, na fiahiana ara-tsosialy, na fandravana fihetsiketsehana, na ady amin’ny tsy fandriampahalemana, na ady amin’ny kolikoly, na fikarohana fanafody, na fividianana fitaovana. Raha ny marina anefa dia misy fenitra sy fitsipika mifehy ny fanatanterahana ny fanaovan-javatra amin’ireo sehatra rehetra ireo. Ho jerena tsirairay ireo sehatra rehetra ireo, eo amin’ny lafiny fanarahany ny fenitra tsy maintsy hanatanterahana azy.

Nalaza tamin’ny taona voalohany nitondran-dRajoelina Andry, ny fanorenana tanàna vaovao nolazaina fa hanamaivana ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra, ka ny « Tanà masoandro » no voalohany tamin’izany. Nifanehitra tamin’ny fanoheran’ny mponina teny amin’ireo kaominina voakasik’izay anefa ny tetikasa, satria tsy nisy fandalinana (études) ara-tsosialy sy ekonomika ary tontolo iainana izany. Foto-piveloman’ny mponina ny famokarana vary sy hanin-kotrana kanefa dia saika nototofana ny tanimbary.

Notandindonin-doza araka izany ny fiainan’ny mponina satria tsy nisy fandinihana akory na nanara-penitra ny tetikasa na tsia. Hafindra eny Imerintsiatosika indray ny tetikasa, ka hanaovana fandalinana ny fanatanterahana izany. Na izany na tsy izany anefa dia tandindonin-doza ihany ny Renivohitra, satria hatao inona avokoa ireo trano efa mijoro misy ireo minisitera isan-tsokajiny eto satria araka ny vina dia hafindra eny amin’ity tanàna vaovao ity daholo izy ireo. Nandalo ary mbola mitoetra ny valanaretina covid-19, nahazo fanampiana avy any amin’ny mpiara-miombon’antoka aman-jatony tapitrisa dolara i Madagasikara nentina niatrehana izany. Nankalazain’ny mpitondra fa noho ny fahatokisan’ireo vondrona iraisam-pirenena azy no nahazoana izany. Niaraha-nahalala anefa, fa niteraka fahafaham-baraka ho an’ny Malagasy ny fitantanana izany fanampiana izany noho ny raharaha “bonbons sucettes”, sy “écran plats”.

Nisy ihany koa ny ampahany izay nolazain’ny minisitry ny vola sy ny toekarena fa nalefa tany Atsimo nanampiana ireo tratry ny “kere”. Na teo aza ny fangatahan’ny mpamatsy vola sy ny mpanohitra, ny fomba nitantanana sy nampiasana ny famatsiana dia tsy misy mangirana ny momba izany. Nidehaka indray fa nahazo vola 150 tapitrisa dolara amerikana noho ny fahatokisan’ny mpiara- miombon’antoka hono ny mpitondra. Manana ny masoivohony eto ireo mpamatsy vola, koa heverina fa tandindonin-doza indray ny vahoaka tokony hisitraka izany fanampiana izany, raha mbola izao fitondrana izao ihany no hitantanana azy. Foronina avokoa izao rafitra rehetra izao entina hanamaivanana ny fiantraikan’ny valanaretina covid-19 ka ny “kaly tsinjo”, amin’ny vidiny zato ariary mandritra ny enimpolo andro, indray no heverin’ny mpitondra fa vahaolana. Mbola tandindonin-doza ihany anefa ny vahoaka na dia mety ho “manara-penitra” aza ny hetsika satria vahaolana maharitra no ilaina, fa tsy fanampiana mandalo sahala amin’izao.

Tato anatin’ny volana vitsivitsy izao dia mitokona mitaky ny zony mpiasan’ny fahasalamana (paraméd), ny mpitsirika ny asa (inspecteurs sy contrôleurs de travail), ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo. Ho an’iretsy roa voalohany dia nasaina noravan’ny “mpitandro ny filaminana” ny hetsika, ka tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra matotra. Efa nanome fe-potoana izy ireo hamahana ny olana, ka raha manara-penitra sy manaraka fitsipika marina tokoa ny fitantanana ny sehatry ny asa dia ho hita ny vahaolana. Raha tsy misy izany ato anatin’ny fotoana fohy dia loza manara-penitra indray no hihàtra eo amin’ireo sehatra ireo. Mihetsika ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, tsy ny eto an-drenivohitra ihany, fa ny any amin’ny Faritra samihafa koa.

Ny zava-doza manara-penitra amin’izao fotoana anefa dia misy ny mizana tsindrin’ila, satria raha vao nihetsika nitaky ny zony ny mpianatra tany Toliara dia nomena azy ireo manontolo izay notakiany. Ny tany Toamasina dia nisy mpianatra namoy ny aina, ny teny Ankatso sy Vontovorona dia nanipazana baomba mandatsa-dranomaso ary nisy no nosamborina. Tandindonin-doza ny sehatra fampianarana na dia eo aza ireo sekoly lazaina fa manara-penitra tokanana etsy sy eroa, kanefa maro ny trano fianarana tsy misy rindrina tsy mitafo ary mipetraka amin’ny tany ny ankizy ao an-dakilasy.

Na lazaina sy hankalazaina aza fa manara-penitra avokoa ny zavatra ataon’ny mpitondra rehetra dia azo antoka fa misy loza mitatao tena “manara-penitra” eto amin’ny Firenena, satria ratsy avokoa ny fomba iatrehan’ny mpitondra ireo olana rehetra misy ary ny “ratsy atao, loza mihantona”.