Filoha Ravalomanana – Izahay mila vaksiny rehefa tsy mila ianareo mpitondra

Helisoa

Nandritra ny resaka nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny RMDM, Marc Ravalomanana, nandritra ny fandaharana Miara-manonja omaly dia nanambara ny tenany, fa tsy mbola voafehy ny resaka covid 19 eto Madagasikara, na dia nanambara aza ny mpitondra fanjakàna, fa voafehy io valan’aretina mandripaka io.

Manoloana izany, aza miolonolona ianareo mpitondra hoy ny filoha Marc Ravalomanana, fa tokony hifampiresaka mivantana amin’ny OMS. Rariny izany hoy izy, satria Madagasikara dia mpikambana feno ao anatin’ny Firenena Mikambana. Vaksiny miisa 8 izao no misy maneran-tany , afaka misafidy tsara isika amin’izany. Milaza ianareo fa tsy mila vaksiny, izahay mila hoy ny filoha Marc Ravalomanana.

Nampahatsiahiviny tamin’izany, fa nanambara ny RMDM tamin’ny herintaona toy izao, nangataka izahay hoy izy tamin’izany ny hanidiana ny sisintany. Manambara indray izahay izao hoy izy, fa ilaina ny vaksiny hiarovana ny MALAGASY; mila ajanona ny hambompo hoy ny filoha Ravalomanana , satria aina no ambony hoy izy.