IZAY MARARY ANDRIANINA SA IZAY MARARY ODIANA FANINA ?

Raha vao ny olona sahirana no hanatona hopitaly,
Dia efa ratsy ny eritreritra, efa ambany ny moraly,
Fa amin’ny toerana toy ireny no mazàna andrenesana
Hoe: ireo tsy manam-bola dia miandry fahafatesana!

“Mandehana ity vidio raha tiana hahazo fitsaboana,
F’eto raha ny fanafody dia tsy misy maimaimpoana!”
Andalan-teny toy izany hatrany hatrany no mitsena
Ireo izay manana marary ka mba mila famonjena!

Dia indreo mitotototo ireo mba manana hividianana,
Ary koa ireo mbola afaka ny hivarotra fananana.
Fa iretsy rovi-damba sy tsy manana hatoraka
Dia miverina any an-trano rehefa tsisy fo mba mangoraka!

…Dia bataina ny marary hiverina any am-parafarany,
Ary any no tsy maintsy hiandrasany ilay ora farany!
Tsy nahazo fitsaboana na mba sombim-piantrana,
Fa tsy dia misaina izany ny mpitondra fanjakana!

Zavatra hafa loatra mantsy no nataony ho reharehany,
Fa ny momba ny “aim-bahoaka”, tsy laharam-pahamehany.
Zary mba fiteny sisa ilay hoe: ‘zay marary andrianina,
Fa ho an’ireo mpitondra: ‘zay marary odiana fanina!

Kianja fampiadiana akoho no tena notokanana haingana,
Mba ho tena fanehoana ny asa tsara sy mivaingana.
Ary angamba atsy ho atsy, hajoro tsy amin’ahiahy
Ny kianja iray manara-penitra fampiadiana tanalahy!

TSIMIMALO (12-03-21)