EDITO 16 Marsa – Fanavaozana fanadinana – Tsy ampy hampitony ny sain’ny maro ny fanazavana natao

Sôh’son

Tsy mampitony ny fiasan-tsainan’ireo ray aman-dreny, sy mpianatra ny fanazavana ny amin’ny safidy ny sokajy azon’ireo mpianatra hatao, amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana bakalorea. Nambara fa tsy mbola hoe mihàtra tanteraka amin’ity taom-pianarana ity izany, fa mbola manana safidy ireo mpianatra na hanaraka ireo sokajy teo aloha lazaina ho « tranainy », na ny sokajy vaovao natolotra nanomboka tamin’ity taona ity, dia ny L (littéraire), ny S (Scientifique), ary ny vaovao be koa, ny OSE (Organisation – Société – Economie). Nambaran’ny tomponandraikitra teo anivon’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana (ONEP), fa ampahany amin’ireo sekoly no nampiharana an’ireto sokajy farany vaovao eo amin’ny seha-panadinana. Izany hoe, misy tsy mahafantatra na ny fisehon’ireo sy ny mety ho fiantraikany eo amin’ny seha-pampianarana.

Mazava loatra, fa andrana ihany izao fanombohana izao, tsy maneho fahapatahan-kevitra tanteraka sy faharesen-dahatra. Marina, ilaina ny fanavaozana eo amin’ity seha-pampianarana ity, kanefa tsy atao andrankandrana ny fampiharana azy. Tsikaritra rahateo, fa mandroso mihemotra izany, no atao amin’ny fampianarana ny zana-bahoaka eto amin’ity firenena ity. Niaraha-nahita tsara ireny ny nanjo ny zaza malagasy tamin’ny fanisahana ny tetiandro fampianarana, izay nisy tonga hatrany amin’ny 11 volana mihitsy ny fotoana nianarana. « Namono » ny mpianatra ireny ary nampaory ny ray aman-dreny ihany koa, satria nitombo ny fandaniana. Nihalangalana tsy te hahalala fotsiny izao, izay nanjo azy ireo izany ny fanjakana, sy ireo tomponandraikitra teo anivon’ny ministera misahana ny fanabeazam-pirenena. Dia niaraha-nahita, niverina tamin’ny teo aloha indray ny fotoam-pianarana sivy volana. Moa tsy tokony ho voasazy ve ireo mpanao andrankandrana ireo? Aorian’izao indray izao dia rahoviana no hiova io fanavaozana entina izao io?

Anisan’ny nampieritreritra ihany koa ny mpandinika ny amin’ny hoe ampahana sekoly, sy mpianatra ihany no nampiharana izao sokajy vaovao izao. Izany hoe tsy hanao intsony ireo sokajy nahazatra nandritry ny taona maro izy ireo ( ny A1, A2, C, D). Tsy hojerena aloha izay safidin’izy ireo vaovao any, fa ny andehanan’ny saina dia hoe: hanao ahoana ny vokatr’izany aoriana? Hatreto aloha ny fahitana azy dia mampizarazara ny zaza Malagasy izany. Hisy ny mbola hanao ny sokajy tranainy, dia hisy hanomboka amin’ity taona ity ny hanao ny sokajy vaovao. Hanao ahoana ny ho akony na ny ho vokatr’izany aoriana? Efa voadinika lalina ve izany? Mety tsy handeha amin’izay ihany ny saina raha efa nisy fanomanana dieny vao hiditra amin’ny taom-pianarana vaovao, na avy dia tsy maintsy niaraka narahin’ny mpianatra rehetra teto amin’ny firenena io vao niditra nianatra. Ho an’ny mpandinika dia mampanahy ihany, satria ny fepetra noraisina ankehitriny dia maneho tsy fahatokisan-tena be ihany eo amin’ny tomponandraikitra. Aoka mihitsy izay ny fanaovana andrankandrana amin’ny zana-bahoaka.