Assanati Famo gidraka – Manasoa sy manala fahasahiranana ny mpiray tanindrazana

Helisoa

Manohy ny fanasoavana ny mpiara-belona ny Fikambanana Assanati Famo Gidraka, na werawera tsy maintsy mandeha no tena ahafantaran’ny maro an’i Assanati. Vehivavy zanak’i Mahajanga sy lehibe tao izy, saingy manambady sy mipetraka any ivelany ankehitriny.

Mampiavaka azy amin’ny maro dia tsy manadino ny mpiray tanindrazana aminy izy, ka manao asa soa hatrany. Ny asa soa ataony anefa dia tsy itadiavany vato amin’ny fifidianana, na asa soa ho an’Andriamanitra fa mijanona amin’ny hoe “werawera tsy maintsy mandeha”. Izany hoe tsy mametraka ny toe-tsaina kristianina hoe izay ataon’ny tanana havananana tsy fantatry ny havia, sy ny hoe tsy natao hitadiavana tombontsoa manokana ny asa soa atao. Tsy misy fihatsaram-belatsihy ny azy araka ny nambaran’i Assanati, fa dia napetrany hatramin’ny voalohany, fa ‘werawera tsy maintsy mandeha’ sy ny hoe ‘isika jiaby miaraka amin’i Famo Gidraka’.

Betsaka ny olona ao amin’ity fikambanana ity, izay mahazo tombontsoa toy ny fanomezana fitaovam-pianarana amin’ny fidiran’ny mpianatra, fanampiana manokana raha tojo olana toy ny haintrano, na aretina…. Misy ny mahazo vola, tsy dia misy antony manokana fa ny werawera tsy maintsy mandeha… Misy ny mahazo fitafiana na koa vola handoavana saran’ny fanaovana fanatanjahantena, eo koa ny kojakojan-tokantrano, sns … Ny tsy maintsy atao fotsiny rehefa omena vola sy fanomezana dia ny mandefa ny vola na zavatra azo ao amin’ny tambazotran-tserasera, ho fampahafantarana ny rehetra.

Ankoatra izay dia misy koa fanomezana mandritry ny fanompoambe, fampisakafoanana olona, na fanomezana sakafo amin’ny Ramadany sy ny idd, fanatsarana ny fotodrafitrasa efa misy tahaka ny zaridaina Ralaimongo teo aloha sy ny tranon’ny polisy… Efa fantatry ny olona maro izany, ka maro ny manana olana mangataka fanampiana aminy. Tsy misy voatosi-bohontanana izy ireo, fa dia mahazo fanampiana avokoa. Mandroso hatrany ny asa soa ataon’ny fikambanana Assanati werawera tsy maintsy mandeha, na betsaka aza ny manakiana. Maro ireo mitsikera ny fikambanana noho izany. Ao moa ny manambany mihitsy, hatramin’ny manompa, nefa tsy mahasakana azy tsy hanao ny asa soa fanaony izany.

Nanamafy hatrany i Assanati, fa tsy itadiavany tambiny na toerana politika ny asa soa ataony, fa werawera tsy maintsy mandeha. Miezaka manasoa ny manodidina azy izy ary volabe mihitsy moa no laniny amin’izany. Marina fa manambady olona manan-katao izy, saingy miasa ihany koa, ka ahafahany manao ireo asa soa ireo, nefa betsaka ny maneso sy manaratsy azy noho izany. Ny zavatra hita aloha dia mahavita betsaka izy ary efa misy sahady vina hanorina orinasa aty Antananarivo ho an’ny mpikambana. Mbola tsy ambarany izay asa hosahanin’io orinasany io, saingy efa fantatra kosa fa hisokatra tsy ho ela eto Antananarivo ny fikambanana Werawera tsy maintsy mandeha. Ho an’ny mpanakiana azy manokana dia manasa azy ireo hanao ny ataony, sy hahavita ny vitany i Assanati Famo Gidraka satria ny “werawera tsy maintsy mandeha”, hoy izy.