Ankatso sy Vontovorona – Mafana indray ny raharaha fitakiana vatsim-pianarana

Isambilo

Mafana indray amin’izao fotoana ny toe-draharaha fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny ambaratonga ambony, eny Vontovorona, sy eny Ankatso. Ny eny amin’ny Polytekinika Vontovorona, mitaky ny hamoahana ny vatsim-pianaran’izy ireo 4 volana, izay mbola tsy vitan’ny fitondrana ihany hatramin’izao. Ny eny Ankatso indray, mitaky ny vatsim-pianarany tsy voaefa 5 volana, ny mpianatra ao amin’ny toeram-pampianarana ambony momba ny siansa.

Tany Vontovorona Antananarivo Atsimondrano, raikitra indray ny grevin’ny mpianatra eny amin’ny Sekoly ambony Polytechnique Vontovorona mahakasika ny fitakiana ny fivoahan’ny Vatsim-pianarana 4 volana sy fampitaovana. Tapitra ny fe-potoana nomen’izy ireo ny Ministera ny hamahana ny olana misy eo amin’izy ireo, ka nidina an-dalambe avy hatrany izy ireo omaly, nanohy izany fitakiana izany, raikitra ny fandorana kodiarana sy fanakanan-dalana.

Ny faran’ny herinandro teo raha tsiahivina, dia nanome 24 ora hamaliana ny fitakiana ireo mpianatra. Milaza izy ireo fa tsy hijanona ny fitakiana raha tsy mivoaka ny “calendrier de bourse” izay mifanaraka amin’ny volana nianarany. Araka ny vaovao farany momba ity hetsiky ny mpianatra tany Vontovorona ity, mpianatra miisa 2 no voasambotra.

Teny Ankatso, nidina teny amin’ny toeram-piantsonan’ireo taksibe 119 ireo mpianatra, nandoro kodiarana sy nanakan-dalana koa. Mitohy hatrany noho izany ny ramatahora sy antsojay ataon’ny fitondrana ny mpianatra mitaky ny zony. Mahakasika ity raharaha ity, misy ny mizana tsindrin’ila sy fanavakavahana ataon’ny fitondrana Rajoelina: tany Toliara nomena ny vatsim-pianarany ireo mpianatra tany rehefa nisy ny korontana sy vaky trano, ny teto Antananarivo sy ny manodidina anefa hatramin’izao, mbola tsy nahazo ny zony ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony.