Tsy rariny ny fanagejana ireo gadra politika

Ny Valosoa

Ireo mpitondra nifandimby dia samy manana ny manavanana azy teo amin’ny fanagadrana olona, ny fitondrana notarihan’ny Filoha Ravalomanana dia tsy namela mahazo an’ireo dahalo sy mpanao herisetra isankarazany, tsy nahagaga raha foana tsy nisy intsony ny vaky fasana sy ny halatra taolampaty nandritran’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana, tsy nisy ny gadra politika tamin’ny fitondrana Ravalomanana fa mpanao politika nigadra no nisy, tsy heloka politika no nampiditra amponja ireo mpanao politika tamin’izany, fa heloka tsotra.

Tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina dia maro ireo nanodikodimbola no nadoboka amponja ,misy aza ireo olona noheverina ho akaikin’ny filoha fa tsy nikosomaso tamin’izany ny fitondrana fa tonga dia tsy afaka toa an’i Razaimamonjy Claudine. Fa manavanana ny fitondrana tarihin-dRajoelina ny mampiditra amponja ireo tsy mitovy hevitra politika aminy, nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita toy ny nanjo an’Andriamatoa isany Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas, Tsarahame Edouard sns, tsy azo adinoina ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana (mpanao gazety, teknisianina, mpiandraikitra filaminana sns) nisy ny vehivavy sy pasitera tamin’ireo, tsy ireo ihany fa mbola nisy an’ireo manamboninahitra nogadraina noho ny fahasahiany mijoro tamin’ny raharaha Fign sy Bani Ivato.

Ary amin’izao efa filoha voafidy aradalana izao Ingahy Rajoelina dia ireny niarahanahita ireny ny fanagadrana ireo 12 mianadahy mianaka nitondra akanjo mena tamin’ny 20 Febroary 2021 teo Analakely, efa ho telo herinandro no nitazonana azy ireo, kanefa dia tsy mbola navotsotra ihany, tamin’ny afak’omaly dia nisy ny fangatahana fahafahana vonjy maika ho azy ireo, saingy nolavin’ny fitsarana izany.

Samy manandrapeo avokoa ankehitriny na mpitondra fivavahana na mpanao politika, hatramin’ireo malagasy mpila ravin’ahitra any ivelany dia samy mitaky ny famoahana tsy misy fepetra an’ireo gadra politika ireo, satria tsy nandroba na namaky trano no nampidoboka azy ireo fa fahasahiana politika nijoro tamin’ny hevitra naharesy lahatra azy ireo, nisy mihitsy aza mpitondra fivavahana toy ny Pasitera Tehindrazanarivelo vaky vava ka nahateny hoe nisy ny voasambotra noho ny akanjo nanaovany.

Amin’ny Talata 06 Aprily 2021 no hiakatra fitsarana izy 12 mianadahy, ny dikan’izany dia manao herinandro masina sy paska any amponja izy ireo, raha tsy misy ny famoahana azy alohan’izany, ary mety efa eritreretin’ny fitondrana ho tazonina any amponja dia avoaka amin’ny 3 Mey, andro manerantany ho amin’ny fahalalahan’ny fanehoankevitra, izay tsy voafetra ho an’ny mpampahalala vaovao ihany io andro io fa ho an’ny rehetra maneho hevitra.

Isika eto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao dia mahalala tsara fa tsy atoro intsony an’izany hoe manao paska any amponja izany, f’efa teo no niala, ka mahalala ny ngidiny koa miombompeo amin’ireo rehetra mitaky ny famoahana tsy misy fepetra an’ireo voafonja politika voarora tsy maimbo ireo.