Pr Emmanuel Jacob Tehindrazanarivelo – Omeo sehatra amin’ny fahitalavi-pirenena koa ny mpanohitra

Niaina

Vahiny tao amin’ny fandaharana tamin’ny televiziona tsy miankina iray teto an-drenivohitra, tamin’ity herinandro ity, Pasitera Pr Emmanuel Jacob Tehindrazanarivelo, nanome hafatra ny fanjakana sy ny Mpanohitra izy nandritra izany.

Momba ny fitondrana: omeo sehatra ny mpanohitra, hoy izy; ary aza manakorontana kosa ianareo mpanohitra raha nitodika tamin’ny fanoherana ny tenany. Nilaza ny Pasitera Pr Emmanuel Jacob Tehindrazanarivelo, fa tokony homena sehatra ny mpanohitra. Nilaza izy nandritra io fandaharana io fa: “aza manidy varavarana ianareo mpitondra. Antsoy ireo mpanohitra hampita hafatra amin’ny vahoaka Malagasy, ka halefaso mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena, mba ho hitan’ny vahoaka Malagasy rehetra. Omeo fahafahana, omeo fahalalana ny vahoaka ary ianareo mpanohitra aza mitarika korontana na manimba zavatra.

Ankoatra izany, nilaza ity manam-pahaizana olom-piangonana ity, fa amin’izao fitondrana izao no tena mahantra ny vahoaka Malagasy hatramin’izay, tsy mbola nisy raha tsy tamin’izao ny tena fahasahiranan’ny mponina lalina teto hoy izy.