MAHAZENDANA MIHITSY !

Mahazendana mihitsy ity ‘nareo mitifi-danitra,
Nefa fe sy tongotr’olona no indro rotiky ny bala.
O ry tia misetrasetra, misy anie ilay Andriamanitra,
K’aza tia mandangalainga sy minia tsy te hahalala!

Mahazendana mihitsy ity ‘nareo miseho ho “favo”,
Nefa gisitra eny foana sy efa ho latsaka any an-davaka.
Moa ireo olona nantsoina ve no tena “loham-boatavo”,
Fa tsy tena ny “atidoha” noheverina ho tena miavaka?

Mahazendana mihitsy ity ‘nareo miseho mivavaka,
Modimody mba milahatra amin’ny olon’ny fiangonana.
Kanjo hay dia seho ivelany, rentirenty, ravadravaka,
F’ao am-po dia valifaty, saina ratsy, fialonana!

Mahazendana mihitsy ity ‘nareo mitety faritra,
Dia ovàna ny fitafy ka dia jenitra dia jenitra.
Toeram-pampiadiana akoho, izay no tena mahafinaritra,
Fa tsy ‘reo izay mahasoa ka tokony ho manara-penitra?

Mahazendana mihitsy ity ‘nareo miseho ho raitra
Ka dia sahy mampanantena ny hanome anay ny volana!
E! jereo ‘zao ‘reo vahoaka f’efa tojo ny mafaitra,
Saingy “dobo hilomanosana”, izany ve no vahaolana?

Mahazendana mihitsy ity ‘nareo mandihy, mifaly,
Nefa ny eo ambany maso, mitoloko, mitaraina.
Henatrao mpanefoefo ny fisian’ireo mijaly,
Sasa-miandry tolo-tanana saingy indrisy fa mangaina!

Mahazendana mihitsy ity ‘nareo izay sahy mitonona
Ho mahay sy tapitra ohatra, nefa tia lalaom-boto.
Tena mampisaina lalina raha tanora gasy vonona,
No indro lasa vondron’olona mpanao bizina maloto!

DADAN’i ZINA (10-03-21)